Kaominina Ivato – Matanjaka ary tsy mivaky ny antoko TIM

Helisoa

Tontosa omaly ny fifampiarahabàna tratry ny taona nataon’ny antoko Tiako i Madagasikara (TIM), tao amin’ny kaominina Ivato distrikan’Ambohidratrimo, izay notarihin’ny ben’ny tanàna lany tamin’ny anaran’ny antoko Penjy Randrianarisoa. Tonga nanome voninahitra ny fotoana tao an-toerana ny birao politikan’ny antoko TIM, izay notarihin’ny mpandritra nasionalin’ny antoko, Jean Claude Rakotonirina. Nanambara ny ben’ny tanàna Penjy Randrianarisoa nandritra ny fandraisam-pitenenana nataony, fa antoko velona ary matanjaka ny antoko TIM ao Ivato, mbola ampahany amin’ireo mpikambana hoy izy no tonga noho ny maha andro fiasana ny fotoana anaovana ny hetsika, fa raha amin’ny fotoana tsy iasàna dia avo folo heny noho izao no ho tonga.

Mankasitraka anareo birao politika nasionaly izahay hoy ny ben’ny tanàna Penjy Randrianarisoa amin’ny fahatongavanareo manatrika ny fotoana toy izao, fa hery lehibe ho anay izany. Ataovy tonga any amin’ny filoha Marc Ravalomanana ny fisaorana atolotray hoy hatrany izy.

Ny solontenan’ny biraon’ny COMTIM, Ignace Randriamamizafy dia nanome toky, fa vonona hamerina ny filoha Marc Ravalomanana ny TIM Ivato, ary hitazona hatrany ny kaominina ho tantanin’ny antoko TIM hatrany. Ny mpandrindra nasionaly Jean Claude Rakotonirina dia nanome toromarika mikasika ny famelomamaso ny antoko TIM ny tenany, izay tena imasoan’ny antoko amin’izao fotoana izao. Taonan’ny fijoroana hoy izy ity taona ity araka ny toromariky ny filoha nasionalin’ny antoko TIM, ny filoha Marc Ravalomananana, ka mila miatrika izany isika. Avela any ny disadisa rehetra fa tanjona iray izao aloha no mahamaika dia ny hametraka ny filoha Marc Ravalomanana hitantana ny firenena indray.