19 Febroary – Taratasin’ny mpamaky

Fanehoan-kevitra ampitaina amin’ny gazety Ny Valosoa Vaovao izao manaraka izao, mahakasika ny zavatra mampalahelo nitranga tany Ikongo tamin’ny fizarana fanampiana tamin’ny traboina.

Nozaraina isaky ny Kaominina sy FKT tandroany alarobia 16/02/22 ny Fanomezana ho an’ny Traboina, avy tamin’ny Fitondram-panjakana izay tarihin’Andriamatoa Andry Rajoelina; izay naterin’ny MDN, sy MIN Population ary i Gouverneur taty Ikongo.

Sambasambany tamin’ny tantaran’i Madagasikara no nisy Mpitondra nizara Vary tamin’ny Madiko sy Menaka tamin’ny Kapisily ary savony kely fanasan-tongotra natao teto Ikongo androany izao. Vary iray Gony sy tapany no nozaraina tamin’ny Vahoaka Traboina miisa 6000 teto Mangarivotra Ikongo tandroan’ny tolakandro teo. Ka toy izao ary ny fizarana izay natrehinay. Rehefa natao ny fizarana dia nalahatra ny olona dia samy nomena, Vary (01) Iray MADIKO, sy Menaka Telo Kapisily marihina, fa rakotra tavoangy Labiera ny atao hoe Kapisily, namarana ilay menaka, dia niampy TSARAMASO nafatratra tamin’ny Vohon’ilay Madiko ary Savony vidin’ariary Zato. Maro ireo olo diso fanantenana satria nisy ny mba nanantena ny hahazo vary amin’ny kapoaka sy Menaka amin’ny litatra dia efa nitondra bezara lehibe, kinanjo sakafo tsinjo hataon’ny zaza telo taona sakandro no azo tany. Noho ny fahasahiranana anefa dia noraisina ilay vary nomena ireo traboina na dia mifono fanambaniana ny mpiray tanindrazana toy izao aza…

Aza manody ny toy izao ry Fanjakana, aza mandatsa vahoaka fa tsy fidiny ho an’Ikongo ny traboina toy izao, nieritreritra anareo mba ho hitsikitsika azo andihizana ianareo kay Mpampango mihinana zanakakoho. Izao ve no atao hoe Mamonjy amin’ny sarotra? Vary afatra amin’ny Madiko sy Menaka afatra amin’ny Kapisily ve no mba ndeha hi-weraweranareo amin’ny télé sy Radio milaza fa nijery an’Ikongo? Io ve no hanaratsiana ny deputé namana nahavita soa taminareo? Ary ny mampalahelo anay fatratra dia ity. Mijery télé sy Mihaino Radio izahay dia refa misy zavatra mitranga any amin’ny District hafa dia iny ny Filohan’ny Repoblika sy ny mambran’ny Gouvernement tarihin’i PM fa tonga haingana, nefa raha Ikongo marary mijaly mitaraina maty havana maro sy very fananana sy simba trano ary nitondra ny mangidy indrindra tamin’i BATSIRAI, tsy mba misy Filoha mba mijery ifotony ny zanany. Sao ary mba tsy anisan’ny Malagasy ny Vahoakan’Ikongo Tompoko? Masina ity tanindrazana ity ka ao ny Tompo ao ambony no hitsara izay vitantsika amin’ny Malagasy tsy raharahiana sy ambaniana toy izao.

Mponin’Ikongo
Malahelo noho ny fanambaniana ataon’ny fitondrana