Tao aorian’ny andro ratsy – Niaka-bidy avokoa ny legioma any Toamasina

Niaina

Tao aorian’ny andro ratsy nisy teto amintsika andro maromaro izao, ka nahatapaka ny lalana tao Moramanga, niaka-bidy avokoa ny legioma any Toamasina faritra Atsinanana. Noho ny haratsian’ny làlana nateraky ny andro ratsy dia niato avokoa ny fifamoivoizana tamin’iny làlam-pirenena faharoa iny, nandritra ny roa andro teo. Ankehitriny efa miha-miverina amin’ny laoniny izany, ary efa afaka mandeha koa ireo fiara vaventy, satria efa voapetraka ilay “pont bailey” any Moramanga.

Ho an’ny mponina any Toamasina, izay manafatra ireo legioma avy aty an-drenivohitra sy ny manodidina dia nisy fiantraikany lehibe izany, satria nahitana fiakarany avokoa ny vidiny. Manomboka amin’ny 4000 Ar ka hatramin’ny 6000 Ar ny kilaon’ny voatabia. Ny karaoty kosa dia efa misy tafiakatra hatramin’ny 7000 Ar ny kilao. Vidiana amin’ny vidiny 5000 Ar ny kilaon’ny haricot vert, raha 4000 Ar ny ovy. Hita ihany koa fa samy manao izay vidiny hitiavany azy ny mpivarotra amin’izao. Andrasana izay ho fidinan’ireo vidina legioma ireo satria efa miverina amin’ny laoniny ny fifamoivoizana any Moramanga.