Faritra avo – Misangy loza hatrany ny fitondrana ka ny vahoaka no mahita faisana

Ny Valosoa

Mahafinaritra an-dRajoelina sy ireo mpiaradia aminy ny manao hetsika tsy amim-piheverana eny amin’ny faritra avo, indrindra fa ao amin’ny Rovan’Antananarivo sy ny manodidina azy.

Ny Sabotsy 11 Desambra 2010 nametrahana ny Repoblika fahaefatra dia niakatra teny Anatirova ny Filoha ankehitriny mivady nanao fitafy, naka endrika mpanjaka izy roa, ireo mpiambina azy indray dia nampitafiana ny fanamiana fanaon’ny miaramila tamin’ny fahampanjaka. Mahatsikaiky ny toejavatra toy izany satria, fametrahana ny sata repoblikana no natao tamin’io andro io, kanefa dia toa kilalao mpanjakampanjaka no hita, marihina fa nandritra ny fitondrana tetezamita no tsy hita nanjavonana ilay satroboninahitrin’ny mpanjakavavy, izay tsy mbola hita hatramin’izao.

Ny 19 Janoary 2019 indray no nanao fianianana tetsy Imahamasina Ingahy Filoha amin’izao fotoana izao, ny harivan’io dia nikasa hanapoaka afomanga ao Anatirova ireo mpitondra vaovao, saingy tsy tanteraka izany fa voasakan’ny orana, ary io alina io dia nianjera ny vatobe roa niteraka fatiolona izany, raha araka ny fomba dia tokony ho tsy azo atao intsony ny manapoaka afomanga ao, satria efa afo no nandrava ny Rova.

Valo andro taorian’io indray ny Alahady 27 Janoary 2019 tapakandro maraina, dia tonga tao Anatirova Ingahy Filoha, niaraka taminy tao koa Ramatoa Minisitra Lalatiana, miadidy ny kolontsaina sy ny serasera. Herintaona taorian’izay dia nitsangana ilay “Colisée de la honte”, izay notsipahan’ny olompirenena manantsaina rehetra, ny azo antoka dia tamin’io fidirana tao Anatirova io no nanomboka ny fiketrehana ny hananganana ilay “Colisée” izay fanotana fady tanteraka ny Rova.

Ny Zoma 06 Novambra 2020 nahafeno 25 taona katroka ny nahamay ny Rovan’Antananarivo dia nofafan’Ingahy Filoha tanteraka ny tantara, ka novainy ho Rovan’i Madagasikara ny anaran’ilay Rova izay nimatimatesan’ireo mpanjaka nifandimby nanomboka tamin’ny 1610 namoronan’ny mpanjaka Andrianjaka ny Tanànan’Antananarivo.

Ny soratra Antananarivo izay fantsihana eo amin’ireo vatobe eo Ampahamarinana, izay efa nesorina nandritra ny fotoana naha Ben’ny Tanàna an’i Neny Lalao Ravalomanana, mbola naverin’ireo mpamantsika an’Antananarivo indray ankehitriny, tsy mahagaga raha mikomy mitady lalana ianjerana ireo vatobe.

Nandritra ny fihaonan’Ingahy Filoha tamin’ireo tompon’ny haino vaky jery teny Iavoloha no nanitrikitrihany mafy, fa tsy maintsy atao hono ilay teleferika, ka izay mitsipaka izany dia tsy tia fandrosoana. Efa nambara teto amin’ny gazetintsika fa ny lalan’io fitaterana mihantona io, dia mitovy amin’ny zotra nandehanan’ny fanafihana nataon’ny tafika frantsay izay niainga tey Ambatobe, niakatra an’Ankatso avy eo dia nitifitra namely ny Rova sy ny faritra avo, ny dikan’izany dia fanamasinana ny fandresena azon’ny frantsay fahiny ny fananganana io fitateranana hamoa-doza io. Izao anefa dia terena hiala eny amin’ny faritra avo ireo mponina eny, satria atahorana hono ny fianjeran’ireo vatobe, izay tsy mbola nandalovan’ny teleferika akory dia efa mampihorin-koditra.

Manana ny tantarany sy ny hasiny ny toerana rehetra indrindra fa ny Rovan’Antananarivo sy ny faritra manodidina azy, saingy indrisy fa sendra izay mpitondra manaotao foana, tsy mahalala afa tsy izay isehosehoana hatrany, ka ny tena mamohehitra dia ireo vahoaka monina eny amin’ny faritra iharan’ny fanosihosena no mizaka ny tsy eran’ny aina, ka ny vahaolana maharitra sy hampilamina dia tsy misy afa tsy ny famerenana ny anarana hoe Rovan’Antananarivo, ny fanesorana ny soratra Antananarivo fantsihana eo amin’ny vatobe ary ny goavana indrindra dia ny fampitsaharana ilay tetikasa teleferika sy ny fandravana ilay ” Colisée de la honte”.