3 taona nitondran-dRajoelina – Miady ny laharana gisitra hatrany i Madagasikara

Andry Tsiavalona

Mibosesika tsy misy fitsaharany ny loza mihàtra eto amin’ity Nosy ity, ka mikorisa manapa-dàlana sy mandrodana trano ary mamono olona, toy ny tany voton-drano ny toe-javatra eo amin’ny sehatra rehetra. Araka izany dia midaraboka avy eny ambony ny toekarem-pirenena sy ny faripiainan’ny Malagasy ary ny fiainana ara-tsosialin’ny ankamaroan’ny olompirenena. Nanaovan’ny fitondrana antso avo ny be atidoha gasy (cerveaux) maneran-tany hanafaka ity Firenena ity, ao anatin’izao fahantrana tsy roa aman-tany izao, ary hanandratra avo ny lafim-piainan’ny vahoaka, sy hanova ny tantaram-pirenena, ka ho sangany eto anivon’ny Ranomasimbe Indiana sy manerana izao tontolo izao i Madagasikara.

Manitsaka ny faha efatra taona nitondrany ny filohan’ny Repoblika Rajoelina, sy ny atidoha miara-miasa aminy kanefa dia mitodika aty tokoa ny mason’izao tontolo izao, satria miady gisitra ity Firenena manana harena tsy an-kibon’ny tany ihany, fa an-dranomasina sy ambonin’ny tany ihany koa. Mitodika aty ihany koa ny mason’izao tontolo izao, ka mahita ny loza mihàtra eto ka ankoatry ny areti-mandoza, covid 19, izay iaharan’ny firenena rehetra mizaka dia iainan’ny Malagasy ihany koa ny kere, ny tsy fandriampahalemana sy ny fahantrana ary manampy trotraka izany ny tondra-drano amin’izao fotoana izao.

Nanambara ny filohan’ny Repoblika, fa noho ny fiovaovan’ny toetr’andro no niteraka ny kere any Atsimon’ny Nosy. Tsy nanao na inona na inona niadiana tamin’izany ihany koa, hono, ny mpitondra nifandimby tato anatin’ny enim-polo taona. Izy kosa hametraka fantsona hitarihana rano hoentina manondraka ny tany famokarana sy hamatsiana rano fisotro madio ny mponina sy ny biby fiompy. Efa tamin’ny taona 2020 izay efa taonan’ny asa ihany koa ka angamba, ao anatin’ny fepotoana efatra mbola angatahiny vao ho vita ity tetikasa ity. Mitombo ny isan’ny lavon’ny kere amin’izao fotoana izao, ka soa ihany fa tsy tany Atsimon’ny Nosy no nandalo ny rivodoza « Anna ».

Miiba fito faingo roa (-7,2) ny harinkarena faobe tamin’ny taon-dasa ary efa nanafosafo ny dimy arivo ariary ny « euro » iray, ka ny valanaretina covid 19 no nanilihan’ny fitondrana ho antony nahatonga izany, kanefa vola efa nananika ny iray miliara dolara no natosaky ny mpiray antoka ara-teknika sy ara-bola (PTF) nentina niady tamin’ny ity valanaretina ity. Tsy voafehy ity valanaretina ity, na dia nodradradradraina koa aza, fa maro ireo CSB sy hopitaly manarapenitra natsangana manerana ny Nosy.

Tsy nisy ozinina niorina teto amin’ny Firenena na iray aza, mba hanomezana asa ny tanora kanefa ny orinasa gasy efa mitsangana indray no takiana hetra mihoa-pampana, izay midika ho famonoana ankolaka azy ireo, satria sarotra ny famotehana mivantana toy ny nanaovany ny orinasan’ny filoha Ravalomanana Marc. Takiana haban-tseranana ny orinasa afakahaba kanefa dia izay no nandrisika ireo mpandraharaha nampiasa ny volany ao amin’ity sehatra ity. Mampidi-bola vahiny ho an’ny Firenena anefa ny vokatra aondran’ny orinasa afakahaba, izay mampiakatra ny sandam-bola ariary. Manampy trotraka izany ny fanafarana entana ilain’ny mponina andavanandro (PPN), fa tsy ny vokatra eto an-toerana no atao izay fomba rehetra hanangonana azy, mba tsy hanipazana ny vola vahiny eny amin’ny varavarakely.

Tondraka ny rano manerana ny Faritra maro manerana ny Nosy, ka aman’alina ny traboina ary raha ny eto an-drenivohitra manokana dia nitsidika ny teny amin’ny Kianja mitafon’Ankorondrano ny filohan’ny Repoblika sady nampandry adrisa, fa tsy maintsy mifanohana ny Malagasy ary amin’ny toe-javatra toy izao no fampisehoana izany. Nilaza ihany koa izy fa hanome « tosika fameno » ho an’ny traboina rehefa miverina any an-tokantranony izy ireo. Ny zava-doza anefa dia mbola manavakavaka ihany ity “filohan’ny Malagasy” rehetra ity, satria izay manana “karnem-pokontany manarapenitra” ihany no hisitraka izany.

Fe-potoam-piasana iray (un mandat) ihany dia efa ho tratra ny tanjona ho an’ny mpitondra amin’izao fotoana izao dia ny fanapotehana ny firenena, fa miandry fe-potoam-piasana efatra, roapolo taona kosa, vao hisy masoandro hihiratra ho an’ny valala be mandry izay hantenaina fa ho fohazin’ny hanohanana, satria ny tsy fananana mahazaka maniraka, raha izao mpitondra tsy mahay mitantana, tsy manana vina ireo izao, no sanatriavina mbola hitondra eo.