Roberto Tinoka-Raharoari­lala, ministra sady vendrana no mpandainga

Lanzelo

Mampahatsiahy olona ity ministry ny fitaterana sy famantarana toetrandro ity amin’ny fihetsiny vendrana sy mandainga, ilay nilaza hoe ho vitany ao anaty dimy taona kanefa ankehitriny mitaky fe-potoana avo efatra heny.

Niteniteny foana i Roberto Tinoka-Rahariarilala raha nampiseho ny fifehezana ny mikasika ny fiaramanidina mba entina hanaromana fitantanana tsy nahomby ny orinasa Tsaradia, sampan’ny Air Madagascar. Tsy vitan’izany fa mbola nampiana lainga ihany koa nentina hanaronana ny trosa be zakain’ny orinasa Tsaradia. Nalefa tany amin’ny orinasa Air Austral avy atsy amin’ny nosy rahavavy ny rihatry ny trosa sy tsy fahaiza-mitantana.

Nolazain’ity ministry ny “sports” teo aloha ity izay lasa misahana ny “trans-sports” ankehitriny fa 196.000$ (783 tapitrisa ariary) isambolana hono no nanofana ny fiaramanidina ATR72 tamin’ny orinasa Air Austral. Teo noho eo ihany ity farany dia nanambara fa 75.000$ (300 tapitrisa ariary) izany hofany izany, izany hoe mbola latsaka antsasany amin’ny tena hofany. Lainga marivo fototra toy ny an’ny filohany ihany izao nafitsok’i Roberto Tinoka-Raharoarilala, ka nifoterany. Manala baraka firenena iray manontolo ary mampisitri-belona mihitsy ny fanaon’izao fitondrana izao.
Tsy vitan’izany ihany fa dia sahin’ity ministra tsy manana traikefa na dia kely akory mikasika ny fiaramanidina ny nanambara fa tsy natao ho an’ny toetany toa Ivato na ireo faritra hafa manerana an’i Madagasikara ny fiaramanidina ATR72! Dia izany hono no antony nahatonga ny mpandeha niato tamina “liste d’attente”. Dia gaga ialahy, hoy ny fiteny malaza.

Nampahafantarin’ny Air Austral indray ity ministry ny fitaterana ity fa izany ATR72 izany dia afaka mipetraka sy miainga miaraka amin’ny mpandeha sy entana feno amin’ireo toerana maro sarotra toa Antsiranana sy Toamasina.

Raha niseho ho entitra tamin’ireo mpikamban’ny governemanta ny filoha Andry Rajoelina nandritra ny fivorian’ny filankevitra tamin’ny voalohan-taona nampitandrina azy ireo, dia ho sahiny ve ny handray fepetra amin’ity akama miteniteny foana ity?… aza manofy antoandro hoy ny fiteny. Tsy mbola nisy toy izao nandritra ny enimpolo taona, fa dia iaretana e!

Rohy: https://la1ere.francetvinfo.fr/reunion/madagascar-air-austral-repond-aux-accusations-du-ministre-des-transports-1205437.html