RA-13 SY NY OLONY

(horonam-peo: https://youtu.be/R9Imn76aDu4)
(mampitandrina fa feno teny ratsy)

Ireo olonareo ve Rateloambinifolo
Dia tena sokajin’ny veta daholo?
Fa na ny fiteny na ny atao rehetra
Dia toa tsy madio fa dia tena voretra!

F’angaha dia tsy manana “ra malagasy”
No dia hifamono sy hifanondro basy?
Sa manana mpiaro satria eny ambony
Ka tena tsy misy atahorana intsony?

Ireo olonareo ve Rateloambinifolo
Dia tena sokajin’ny mpanao bontolo?
Ny tohatra tsy afaka, tsy hay koa ny rihana,
Nefa dia rindrina ve no ianihana?

Lalana tsotra aza iaraha-mahita
Fa mila hatsaraina kanefa tsy vita,
Dia ‘ndeha hisavoana amin’ny teleferika
Izay hita fa mbola tsy mety amintsika?

Ireo olonareo ve Rateloambinifolo
Dia tena efa lo ary koa bobongolo?
Raha ‘zay “teny gasy” toa tsy hainy miteny
Kanefa malaza amin`ny “ompa reny”?

…Mba mieritrereta Rateloambinifolo
Fa tena efa miaiky anareo ny tontolo,
Ka raha izay ny anio ary koa atsy ho atsy
Dia tena ianareo ilay malaza amin’ny ratsy!

DADAN’i ZINA (19-01-22)