NY VOKATR’ILAY VELIRANO

Izao ve no vokatr’ilay velirano
Nodradradradraina ho ren’ny tany?
Ny gasy mahantra no idiran’angano,
Satria tsy misaina ny nanao izany!

Ny fiainana tena tsy misy mirindra,
(Ny manara-penitra toa rediredy!)
Ny vola, ny vola no lehibe indrindra.
Ny ngeza, mangalatra tsy misy bedy!

Izao ve no vokatr’ilay velirano
Nohirahiraina natao an-kabary?
Fananana, rava, mianjera ny trano.
Ny maro amin’ny gasy efa maty mosary!

‘Reo olo-mitondra, vao mainka matavy.
Miletra, miletra, tsy manana ahiana.
Ny vahoaka kosa efa be no manavy,
Mizaka ny vesatry ny tsy fisiana!

…Fa hay veliranon’ny olon-tsy matotra
Ny an’ilay iray izay miseho ho mpandresy,
Ka ny firenena no indro voafatotry
Ny ozona sy fahoriana misesy!

IRINA HO TAFITA (19-01-22)