MIVERENA MANAO FANEKENA…

Matoa tsy afaka olana ny firenena
Dia antony tsotra no mahatonga izany:
Finiavana handeha amin’ny “herin’ny tena”,
No ataon’ny mpitondra ary ireharehany!

Tery am-piaingana dia efa nandà
Ary nanifikifika ny baiboly,
Ka moa tsy efa azo nosainina va
Fa dia hisy ary hibahana ny asan-devoly?

Matoa tsy afaka olana ny firenena,
(Tsy hoe manam-pidiny iretsy vahoaka.)
Fa tena mitohy ny fandrebirebena
Sy ny tampi-mason’ireo tsisy hapoaka.

Ny “mahafinaritra” no imasoany
Fa rambony hatrany ny hoe “mahasoa”,
Ka ’zay mba nambolena dia tsy misy voany
Ary hita fa toa manakofa avokoa!

…Ka raha tiana ho tafarina ny firenena
Sy tiana ho lavitry ny kolikoly,
Rateloambinifolo o! andeha miverena
Manao fanekena amin’ny baiboly!

DADAN’i RIANA (19-01-22)