NY ADALA SISA NO HO VOAFITANY

Angamba dia ny adala irery no hany sisa ho voafitany,
Fa ny nianatra, inoana f’efa tena tonga saina.
Tsisy zavatra manjary ireo rehetra asa vitany.
Aotra roa no isa azony raha ireny no tsaraina!

Miakatra ny tosidrany raha vao izy no voakiana,
Ka miteniteny foana, mba mamorom-bazivazy.
I Kaomoro no lazainy fa homeny fanampiana.
Iretsy trosabe miavosa, tsy hainy ny manilika azy!

Ny eo an-tratrany tsy lavo, dia ny ngeza indray no antsoiny.
Izay no marika mitory ilay atao hoe havendranany.
Sakabe manaikitra azy, izay no mbola ampofoiny,
F’io no heveriny hampahomby an’ilay V amin’ny tanany!

Angamba dia ny adala irery no hany sisa ho voafitany,
F’efa tena miodina aminy ny angidina sy ny tsindretra.
Asa izany raha mba saininy, asa koa raha efa hitany
Ny varavarana hivoahany raha maneno ny trompetra!

IRINA HO TAFITA (06-01-22)