MILA FE-TAOM-PIASANA EFATRA HOE ?

Rahoviana re ireo ngeza izay mitondra firenena
Vao hanaiky hifehy ny kibony sy hametra ny filàny,
Ka ny harena be fihininy dia hafoiny mba homena
Iretsy olo-mavomavo izay mitsindroka amin’ny tany?

Rahoviana, rahoviana, fa toa resaka no betsaka?
(Izay mba ho an’ireo madinika dia tsy misy tokotaniny!)
Fiara raitran’ny mpitondra no indreo mifanaretsaka.
Iretsy maro an’isa anefa tsy mahita izay hohaniny!

Iretsy ngeza, tsy voarara, fa malalaka ny alehany.
(Na mivoaka na koa miditra dia tsy misy ny ahiahiny.)
Ny manangona ny tsy azy, izay no tena reharehany.
Gasy noana, mitofezaka, izay no satro-boninahiny!

…Rahoviana iretsy ngeza izay mitondra firenena
Vao hiaiky am-pahatsorana ny amin’ny tsy fahombiazany?
Mila “taom-piasana efatra” vao hahay hitsara tena
Fa hoe vendrana tanteraka izy sy ny hevi-jazany?

DADAN’i RIANA (05-01-22)