MBA MAHATANTESA RANGITRA ! ( 13 + 6 = 18 ??? )

Mitonia ianao fa sao dia miakatra eo ny tosidra
Ka dia hiato antenantenany ity ilay hoe teleferika.
Raha izay vavan’ny mpanohitra, tsy efa mahazatra va,
Ka inona no mahataitra ny mpandainga toa antsika?

Mitonia ianao fa sao dia miakatra eo ny tosidra
Ka dia ho tapaka eo ny afera sy ny bizina iombonana.
Mijoroa hatrany hatrany ka vao mainka mitrakà
Fa ny an’ireo dia rediredy sady tena fialonana!

Mitonia ianao fa sao dia miakatra eo ny tosidra
Ka tsy ho “telo ambinifolo” fa vao mainka hiampy “enina”!
Izay ilay “valoambinifolo” nolazaina ami-nakà,
Ka eo tokoa vao hifandimby na ny latsa na ny nenina.

Mitonia ianao fa sao dia miakatra eo ny tosidra
Ka tsy ho tratrantsika indray ny taom-piasana faharoa.
Fa n’iza n’iza mbola hiteny dia tsy afaka handa
F’ianao bogosy, tena manja, sady rain’ny lainga koa!

Dia aoka mba hahatanty rangitra f’aza mora miaka-pofona,
F’io no mahavoa anao ry boaikelin’ny tanàna.
Be dia be no hanakora raha vao iny ianao no kofona,
Ka hiteny hoe mialà fa hay tsy vita fisedrana!

RAINILAIKELY (06-01-22)