6 janoary – Taratasin’ny mpamaky

Izay aloaky ny vavan-dRajoelina dia saika lainga avokoa:
-2009: hatao 500 Ar ny kg an’ny vary, 2.000 Ar ny litre amin’ny menaka !
-Hanangana building sy trano miisa 50.000 !
-Tsy hindrana vola intsony, fa isika indray aza no hampindrana an’ny Nosy Comores ! 1 milliards 300 millions USD izao no dettes extérieures an’i Madagasikara.
-Tsy hanao politika intsony raha tsy vita ny RN 13. Na terrassement aza ao tsy misy akory.
-Hanangana orinasa Gasycar ny faran’ny taona 2020! Na kodiarana iray aza tsy misy…
Marihana fa ny devoly no rain’ny lainga! Herintaona eo sisa no iasany koa inona koa no ho vitany eo intsony, akoho tsy naneno ohatran’izay lanin’ny kary. Dia mbola misy malagasy, miandry ny fampanantenana poakaty ataon-dRajoelina ihany ve? Dia ho gaga ve isika raha izao no niafaran’ilay firenena? Ilay gasy sasany, hoe nampidirina fonctionnaires, ho mpanao comm. dia lafo ny fanahiny…

Ramanankasina Michel
Antarandolo Fianarantsoa