Canal C3 lemak’Ambohimanarina – Nanampy tamin’ny fanadiovana ny depiote Todisoa

Helisoa

Mitohy ny asa sy ny fitsinjovana ny vahoaka ataon’ny depiote voafidy tao amin’ny boriborintany faha-6, Todisoa Andriamampandry avy amin’ny antoko Tiako i Madagasikara (TIM). Omaly alatsinainy, na vao avy nankalaza ny fety nahaterahan’ny mpamonjy, ny Krismasy aza, ny mpino rehetra, niasa sahady ny depiote Todisoa, niaraka nanala tsikafona sy nanadio ny canal C3 teny amin’ny lemak’i Betsimitatatra ny tenany, sy ireo tantsaha mivelona amin’ ny fambolena teny an-toerana ary ny APIPA.

Misy ny asa tagnamaro (HIMO) iarahana amin’ny APIPA mandritra ny 2 herinandro, ka niaraka nanome ny tambin-karama an’ireo tantsaha ireo ny depiote Todisoa sy ny Apipa. Teto dia nisaotra ny APIPA ity olom-boafidy ity namaly ny antsony, ka ny irariana hoy izy dia mba hitohy hatrany ny fia-raha-miasa ho tombontsoan’ny be sy maro.