Ceni vaovao – Sady tsy hahaleotena no tsy hangarahara

Ny Valosoa

Tontosa tamin’ny alarobia 1 Desambra 2021 teo ny “fianianana” nataon’ireo mpikambana 9 mandrafitra ny Ceni, tetsy amin’ny Lapan’ny fitsarana tampony no nanatontosana izany. Nanatrika izany ny Filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina sy ny Minisitra miadidy ny fitsarana sady mpitahiry ny fitombokasem-panjakana Imbiky Herilaza. Toy ny fomba fanao tamin’ny fianianana rehetra natao teto amintsika dia samy nilokaloka teo izy 9 mirahalahy, fa hijoro amin’ ny fahamarinana hono, sy hanaja ny tsiambaratelon’ny asa koa hono.

Iza no tsy efa nianiana teto amintsika? toy Ny Fitsarana Avo momba ny Lalampanorenana (HCC) notarihan’Ingahy Rakotoarisoa Jean Eric, ny Ceni nentin’Ingahy Rakotomanana Hery, ary ny tena tsy azo adinoina dia ny Filohan’ny Repoblika Rajoelina, izay nahazo tombony tamin’ny asan’ireo rafitra voalaza ireo, nanao izany fianianana izany tamin’ny fomba manetriketrika ny filohantsika, sady nanasa vahiny avy any ivelany toa an’i Nicolas Sarkozy sy Alpha Condé, izay fantatry ny rehetra ny manjo ireo “vahiny nanankaja” ireo ankehitriny, kanefa aiza izay ny fanajana ny fianianana natao?

Ny Ceni ankehitriny dia mitovy amin’ny fomba nandrafetana ny Hcc ihany ny nananganana azy, ny Antenimierampirenena ahitana depiote lany tamin’ny ramatahora ny ankamaroany, sy ny Antenimierandoholona lany tamin’ny fifidianana petatoko, ary ny Filohan’ny Repoblika lany tamin’ny “doublon”, sy ny Hcc izay vao mainka niha-ratsy noho ny teo alohany dia samy nanolotra olona iray avokoa. Ny solontenan’ny Mpanao gazety iray sy ny Firaisamonina sivily miisa roa dia niaraha-nahita ny tian-kano tsy tian-kano nampandaniana azy ireo, ireo solontena natolotry ny Holafitry ny Mpisolovava sy ny Fitsarana tampony, no mba nandeha tamin’ny ara-dalàna ny fifidianana azy ireo.

Tsy azo antoka ho madio fiasa ireo 7 voalohany voalaza teo, satria ny mpanendry azy 7 ireo mihitsy no tsy milamina araky ny fitenin’ny tanora ankehitriny ny fomba naha teo azy, izy roalahy notendren’ny Mpisolovava sy ny Fitsarana tampony no antenaina hanao ny marina, kanefa dia tsy afaka hanoatra satria tsy maintsy tratran’ny be noho vitsy.
Raha ny fahadiovan’ny fomba fiasa sy ny fanajana ny fahamarinana aloha dia efa tsy azo antoka, satria hitovy amin’ny nataon’ireo teo alohany na vao mainka loza noho ny vitan’ireo nodimbiasany aza, no hataon’ireo 7 vao nanao fianianana.

Ny tena loza dia nasaina nianiana fa tsy maintsy hanaja ny tsiambaratelo izy 9 mirahalahy, ny dikan’izany dia tsy hisy intsony ny mpikambana ao amin’ny Ceni, hanana fahasahiana toa an’i Thierry Rakotonarivo, izay sahy nanambara ny tena marina momba ny fifidianana, ka na izy roalahy izay heverina ho olomarina aza dia voafatotry ny fianianana natao.
Ireo mpikambana tao amin’ny Ceni teo aloha tamin’ny alalan’ny mpitondra tenin’izy ireo Fano Rakotondrazaka dia nanambara, f’efa nisy hono ny fomba fiasa vaovao nosoritan’izy ireo hanatsarana ny zotram-pifidianana, ka anjaran’ireo mpandimby azy ireo ny manohy izany, somary mahatsikaiky ihany ilay fanambarana satria mitohy amin’ny nambaran’Ingahy Rakotomanana Hery ihany, filohan’izy ireo lany daty, izay niseho ho be hevitra sy nahita ny lesoka rehetra, kanefa fony mbola amperin’asa izy mianakavy niforitra tanteraka sady voatsentsina ny vava, tsy nanan-kambara.

Fianianana amin’ny baiboly toy ny nataon’ny Filoha Ravalomanana fony izy voafidy Filohan’ny Repoblika, no sahaza ireo mpikambana ao amin’ny Ceni, toy izany koa ireo ao amin’ny Hcc, fa raha ny niseho teny Anosy tamin’ny alarobia teo, dia toa Ingahy Filohan’ny Repoblika no lasa baiboly nianianan’izy ireo, ka azo antoka fa sady tsy hahaleotena no tsy hangarahara.