EDITO 2 Desambra – Fiaraha-monina mandrimandry – Manana aretina, misy olana mikiky, toa miroso kanefa miha-milentika

Sôh’son

Ny zava-nitranga tato ho ato teo anivon’ny fiaraha-monina, dia misarika ny saina fatratra. Toy ny fiaraha-monina mandrimandry izany kanefa manana aretina; toa milamina kanefa misy olana mikiky saro-bahana; toa miroso kanefa miha-milentika, mba tsy hilazana hoe mihemotra.

Nanaitra ny saina ny fihetsik’ireo mpianatra amin’ny sekoly teknika roa eto an-drenivohitra saika hifanafika hiady. Efa aman-taona ela dia ela no nisy an’izany teto amin’ny resaka sekoly sy mpianatra toy izany, dia izao mipoitra tampotampoka izao. Izany eo ihany, fa ny tiana horesahana dia ny toe-tsaina maneho fihetsika mahery setra ataona vondron’olona eo anivon’ny fiaraha-monina amin’ny zavatra tsy eken’ny sainy ka toheriny. Mbola tsaroana tsara ny zava-nitranga teny Mahazo izay niteraka resabe teo amin’ny sehatra maro samihafa, indrindra tamin’ny haino vaky jery. Ny sinton-kevitra nataon’ny mpamakafaka dia hoe: marefo ve ny fiarahamonina amin’izao fotoana izao? Izany hoe raha vao misy zavatra mitranga iray mety hahakasika ny fiainam-piarahamonina dia miseho ny zavatra toy izany? Manana ny heviny ilay fiaraha-monina. Amin’ny fijery iray hafa, dia miha-masiaka ny fiarahamonina amin’izao fotoana izao. Raha mizotra amin’izany tokoa anefa, dia misy fitantanam-pirenena tsy mahomby ataon’ny fitondrana. Miankina amin’ny mpitondra ny endriky ny fiainam-piarahamonina.

Midika ihany koa izany, fa tsy mandroso ny firenena. Mariky ny fandrosoan’ny firenena, ny fomba fisainana mankany amin’ny fahamendrehana sy fomba fitondran-tena môdely. Nanana fiainam-piarahamonina nanana ny naha izy azy ny malagasy fahiny. Nisy vanim-potoana nisehon’ny fahatsarana tokoa ary hita taratra amin’ny fomba amam-panaony sy ny fandaminam-piainany izany. Tsy tafaverina intsony izany rehefa nandalo ny fanjanahantany, noho ny fanapotehana nataon’ireo mpanjakazaka an-tanin’olona frantsay. Ny fitondrana ankehitriny tsy hita taratra ho manana vahaolana mahomby hamerenana izany. Eny, tsy voatery ho tafaverina tanteraka, fa mba misy amin’ny ankapobeny no tafapetraka indray. Ny fototr’izany fiainam-piarahamonina izany anefa no tsikaritra fa hamaivanin’ny fitondrana.

Fitondrana manana fahaiza-mitantana, no mahita vahaolana sy lalana ivoahana amin’izao trangam-piarahamonina izao, izay tsy ananan’ny fitondrana Rajoelina amin’izao fotoana. Tsy azo avela hijanona amin’izao ny zotrany satria tsy hahasoa ny firenena sy ny taranaka any aoriana izany.