Fidangan’ny vidin-javatra – Mively kanota ny sarambabem-bahoaka isan’andro

Sôh’son

Hiroso mankaiza ny firenena hiditra amin’ny volana farany amin’ity taona ity? Mively kanota ny sarambabem-bahoaka isan’andro ny fidangan’ny vidin-javatra. Tsy misy izay tsy misondrotra ny entana fanjifa andavanandro.

Ankoatra ny sakafo, eo ihany koa ny hafa. Anisan’izany ny labozia, izay tena miasa ao anaty fotoam-pahavaratra izao noho ny fahatapahan’ny jiro lava isan’andro vaky izao. Tsy ao anaty fotoam-pahavaratra aza misy ny fahatapahan’ny rian’aratra mainka fa izao. Manimba zavatra betsaka, tsy any amin’ny orinasa mampiasa izany ihany, fa hatrany amin’ny isan-tokantrano izany. Tsy mbola nisy aloha hita fa hoe nanonitra ny fahavoazana amin’izany ny orinasa Jirama. Efa manamboatra saina sisa ny mpanjifa amin’izany toe-javatra izany, ary mahatsiaro fa tena mahantra tokoa ny firenena.

Ankoatra ny labozia, eo ihany koa ny savony izay niteraka resabe tato ho ato. Aoka anefa hazava, fa n’inona n’inona adihevitra be natao teo ireny, dia ho an’ny sarambabem-bahoaka mpanjifa, miha-lafo ny savony ary mora lany, indrindra rehefa manasa lamba. Tsy fantatry ny tomponandraiki-panjakana sy ireo olom-boafidy maro angamba izany, satria ny lamban’izy ireo alefa any amin’ny orinasa mpanasa lamba. Mikiky haingana ny kitapom-bolan’ny isan-tokantrano ireo zavatra ireo kanefa tsy maintsy jifainy.

Maro ireo sehatra na teboka lehibe tsy voavahan’ny fitondrana tao anatin’ny fitantanany ny firenena, na tamin’ity taona afaka iray volana hivalona ity. Ireo anefa mikasika be dia be ny fiainam-bahoaka andavanandro. Mijanona ho fampanantenana ihany ny filazana ny amin’ny hiakaran’ny tahan’ny fitomboan-karena ho 4, 5%. Ny fiharian-karenan’ny sarambabem-bahoaka maro an’isa tsy misy fitomboany fa ny eo ihany no ho eo. Ny an’ny olom-bitsy efa mpanefoefo no mahatonga io tarehimarika io. Izany hoe hisy famitahana vahoaka indray ny amin’izany. Ny fihatsaran’ny fiainam-bahoaka tsy misy, ary mbola tsy hisy. Ny vola miditra ao amin’ny kitapom-bolany no resahina amin’izany, fa ny tsy ivelambelany anaovan’ny fitondrana kajikajy, toy ny teleferika, sy ny bus class, na ny kianjan’i Mahamasina, na ny rentirenty amin’ny jiro manjelatra sy mamirapiratra samihafa ho hapetraka indray tsy ho ela, sns… Tsy mampitombo akory ny ao amin’ny kitapom-bolan’ny sarambabem-bahoaka ireny, fa vao mainka aza managorobaka. Amin’izao fotoana izao aza mbola misy fepetra raisina kanefa tsy misy setriny, ka manohintohina ny fiharian’ny olona.

Raha fintinina, mitombo ny vidin-javatra jifain’ny vahoaka ary mbola hitombo, ny fiainany anefa tsy misy fihatsaràny, ary famitahana ivelambelany hamitaha-maso sisa no ataon’ny fitondrana. Ankoatra izany, ny hiafaràn’izao fitomboana miandalana ny trangana valanaretina izao tsy mbola fantatra indray.