EDITO 30 Novambra – Fakana tanin’olona sy ny propavandin-dRajoelina

Helisoa

Nandritra ny fampielezan-kevitra nataon’ny kandida Andry Rajoelina tamin’ny fotoan’androny, no nitenenan’ity farany tamin’ny vahoaka Malagasy 25 tapitrisa mahery, fa tsy haka ny tanin’ny Malagasy ny tenany na iray metatra aza rehefa tonga eo amin’ny fitondràna izy. Fanampin’izany aza dia hanome tany 1 ha ho an’ny tanora izy mba hivelomana. Ankehitriny anefa, ny mifanohitra amin’iany no misy, satria dia maro ireo mponina no mitaraina fa alain’ny fanjakàna ny taniny, na omen’ny fanjakana ny vahiny ny taniny.

Toy izany ny zavatra mitranga any amin’ny kaominina Amboditandroroho Toamasina II, nalaina ny tanin’ireo fokonolona ary efa tonga any amin’ny fitsaràna mihintsy ity ady tany ifanolanan’ny fokonolona ao anatin’ny fianakaviana 300 sy ny FILATEX ity. Raha ny tantara dia nisy tany tamin’ny taona 1923 no nalain’ny colon na voanjo, ka rehefa lasa izy ireo, dia ny fokonolona no nanamasaka sy nanajary ny tany. Ny taona 2018 anefa dia tampoka teo ny Orinasa Filatex, no nilaza fa nahazo ny tany, ka anaovana famokarana rianaratra mandeha amin’ny masoandro, veliranon’ny Filoham-pirenena hono, amin’ny tany mirefy 14ha.

Ny fikambanana FIPAMA (FIKAMBANAN’NY MPAMBOLY MANAMBATSIO), ivondronan’ireo fokonolona no efa nanajary sy nahazo taratasy momba ny tany. Ankehitriny dia tonga namefy ny tany ny Filatex, ary rehefa nanao hetsika ny fokonolona, dia nosamborin’ny zandary ny Ben’ny tanàna lefitra, isan’ny miaro ireto fokonolona ireto, ka nametrahan’ny préfet any an-toerana EMMO ao anatin’ilay tany nofefena.

Izay ary ny zavamisy, koa mitana ny teny nomeny ve ny filoha Andry Rajoelina? Tsy any Toamasina ihany, fa misy ihany koa ny any Nosy-Be, nahatonga ny mpanakanto Ninie Donia niady tsy hanaiky hatramin’ny farany ny angalàna ny taniny. Izay tokoa ilay propavandy hakana ny fon’ny olona fotsiny, satria io aditany io no tena iainan’ny vahoaka Malagasy ankehitriny.