25 novambra – Taratasin’ny mpamaky

Taratasy ampitaina amin’ny gazety izao manaraka izao ary ampitaina ho an-dRa-Aug sy Idéalson ary Zandzy ihany koa.

“Izahay” t@ 2 ème République nanangana ny Inscae namoaka an-dRajao sy ry Rabevohitra, sns… hitantanana ny toekarena Malagasy, satria mila izany ny firenena,… fa tsy nandoro sy nandrava tahaka io ataonareo io dia mihebobebo eran’ny tanàna avy eo.

Heverinareo fa io fahefana norombahina sy giazanareo io dia manome fahaizana anareo, any ka ny mpamboly coton de Tulear sy mpampiteraka omby vositra no iankohofanareo ary ilingilinginareo ibaikona ny manam-pahaizana amin-javatra izay tsy takatrareo na ny iray ampahatapitrisany (1/1 million)akory aza ! Ny olona toa izany no tompoinareo sy asandratrareo ho manana vision, ka mahatonga ny firenena farahidiny tahaka izao io.

Noravainareo ny rafi-pampianarana sy ny fanabeazana. Ary satria ianareo dia olo-tsy mahatakatra dia ny fanafarana olo avy ivelany no mba hany heverinareo ho fandrosoana sy fahendrena. Raha tsy izany ve moa ka ho polisy frantsay no nafaranareo hiandraikitra ny raharahambahiny, sns… hafa amin’ny rehetra.

Rehefa avy any “andafy” dia tsara sy mety ho anareo. Izay no maha-mpivarotra tanindrazana anareo. Ambonin’izany, fotoana manao ahoana t@izay nitondranareo no azo itokiana ny teny aloakan’ny vavanareo?

Marcel Razafimahatratra
Antsirabe, faritra Vakinankaratra.