Filaharambe hanao lamba maity – Mijaly sy marary ny vahoakan’i Nosy-Be

Isambilo

Hanao filaharambe na carnaval mitondra lamba maity, na lamba jôby anio, ny mpisehatra amin’ny fizahantany any Nosy-Be faritra Diana, sy ny vahoaka ny an-toerana, ny antony araka ny nambaran’izy ireo, mijaly sy marary ny vahoakan’i Nosy-Be.

Tao aorian’ireny valanaretina coronavirus ireny, tsy mbola tafarina hatramin’izao ny sehatry ny fizahantany any amin’ny Nosy Manitra, na efa miverina misokatra aza ny sisintany. Sahirana izy ireo, satria tsy mba nisy fanampiana avy amin’ny fitondrana azon’ireo mpandraharaha momba ny fizahantany any an-toerana, sy ireo mpisehatra rehetra amin’ity sehatra iray ara-toekarena mamelona an’i Nosy-Be ity. Nisy ny olona nahazo fanampiana tamin’ny faritra samihafa teto amin’ny Nosy, tamin’ireny krizin’ny covid-19 ireny, fa ny mpisehatra amin’ny fizahantany tany an-toerana dia tsy mba nahazo izany.

Koa ho fanairana ny tompon’andraikitra, no anton’izao filaharambe hanao lamba jôby, any amin’ny renivohitry ny Ylang Ylang eto amintsika izao. Marary amin’ny mponin’i Nosy-Be ny tsy fisian’ny sidina avy any ivelany, tsy mijotso avy hatrany amin’ny seranam-piaramanidin’i Fascène. Amin’ny 8 ora maraina no hanomboka ity hetsika any Nosy-Be ity anio, hamakivaky an’i Hellville, ny fiaingana dia any amin’ny Château d’eau any an-toerana.