Delestazy ora 2 omaly – Nisy tsy vanona nanapaka ny pylône ny Jirama

Aly

Tapaka ora 2 teo ny jiro tamin’ny faritra Analamanga omaly, ny anton’izany araka ny vaovao voaray dia nisy olon-tsy vanona nanapaka ny pylône ny orinasa Jirama tany Andriampamaky, distrikan’Anjozorobe, faritra Analamanga omaly.

Pylône lehibe tokoa izany nisy nanjera izany, ka heverina fa olona maromaro sy efa niomana izy ireo no nanao izany asa ratsy izany. Noho izay antony izay, ny orinasa Jirama dia nanambara, fa homena valisoa 20 tapitrisa Ariary izay afaka manome vaovao momba ireo olondratsy nahavita izao heloka bevava tany Andriampamaky izao. Hiampy indray ny fahatapatapahan-jiro eto Antananarivo sy ny manodidina, noho izao fanapahana pylône izao, efa eo am-panarenana izany ny tompon’andraikitra amin’izao fotoana.