Rodoben’ny mpanohitra RMDM – Hanao tolotanana ho an’ireo traboina any Farafangana

Helisoa

Nanao valandresaka ho an’ny mpanao gazety tao amin’ny foiben-toeran’ny antoko TIM, tao Bel’Air Ampandrana ny RMDM: Rodoben’ny mpanohitra ho an’ny Demokrasia eto Madagasikara omaly. Nanambara ny filoha lefitry ny RMDM ny Pastera Edouard Tsarahame tamin’izany, fa amin’ny fa 4 desambra 2021 ho avy izao ao amin’ny kianjan’ny Finona Magro Behoririka dia hanao tolo-tanana ho an’ireo traboina rava fananana noho ny haintrano lehibe any Farafangana izy ireo. Ao anatin’io fotoana io ihany koa no hanolorana ho hitam-poko hitam-pirenena ny boky vaovao mirakitra ny fehin-kevitra 16 nivoaka nandritra ny fikaonandoha nasionaly ny RMDM ny volana jolay lasa teo.

Holazaina amin’io fotoana io, fa tsy miova hevitra ny RMDM. Tsy mangataka fiaraha-mitantana sy adiseza amin’ny sasany. Haka fahefana no atao fa tsy mitady seza; ary ny vahoaka no tompom-pahefana amin’izany. Ka any amin’ny vahoaka no antsoinay mivantana sy resenay lahatra amin’ny fakàna fahefana hoy Pasitera Edouard. Nanambara ihany koa ity farany, fa mety ho sakanan’ ny fanjakàna io satria tsy tiany ny fifanomezan-tanan’ny vahoaka Malagasy. Fa izahay tsy hihemotra fa hanao hetsika hanome tanana ny mpiray tanindrazana mitovy aminay.