Fiainan’antoko – Afaka manatona eny Bel’Air ireo maniry hiditra Tanora TIM

Isambilo

Tao aorian’ny hetsika atrikasa fikaonandoha, sy fitsangatsanganana, nataon’ny Tanora TIM, tany Sambaina Manjakandriana ny faran’ny herinandro teo, miezaka mampitombo ireo mpikambana mpikatroka ny mpitarika ny Tanora TIM eto Madagasikara.

Noho izay antony izay, misy ny fanambarana avy amin’izy ireo: “ho an’ireo tanora tsy ankanavaka maniry hiditra ho mpikambana Tanora Tiako i Madagasikara dia afaka manatona ao amin’ny QG Bel’Air Ampandrana izy ireo misoratra anarana, na hiantso ny 0348684544, na ny 0346120776”.

Anisan’ny tetikasa lehibe, momba ny fampianarana politika sy ny fitarihana ary ny fitantanana, ho an’ny tanora hataon’ny birao politikan’ny antoko atsy ho atsy ny fananganana ilay Akademia an’ny antoko TIM, hanofanana ireo tanora rehetra mpikambana ao amin’ity antoko najoron’ny filoha Marc Ravalomanana ity.