Arlette Ramaroson, James Ratsima, Rakotoamboa – Tsy ekena intsony ny tsy nety tamin’ny fifidianana teo aloha

Niaina

Nitafa tamin’ny mpanao gazety tetsy amin’ny Hotel Colbert Antaninarenina afak’omaly ny mpitsara iraisam-pirenena teo aloha Arlette Ramaroson, sy ireo mpanao politika mirahalahy James Ratsima ary Jean Louis Rakotoamboa, izay sady filoha nasionalin’ny antoko Teza.

Nambaran’izy ireo tamin’izany fa tokony ho ravana ny HCC sy ny CENI, ilaina ny hisian’ny fikaonandoham-pirenena handinihana ny hanovana ny firafitry ny CENI sy ny HCC izay hoy izy ireo. Noho izany, tsy tokony hisy fifidianana tokony handeha eto raha tsy misy ny fifanankalozan-kevitra amin’ny resaka CENI sy HCC ireo, izay fitaovana eo ampelatanan’ny mpitondra. Andrimpanjakana mitanila, noho izany tsy ho araka ny safidim-bahoaka indray ny fifidianana hivoaka eo raha mbola hijanona amin’izao endriny izao ireo rafitra roa ireo.

Ny dikan’izany, tsy ekena intsony ny zavatra tsy nety tamin’ny fifidianana teo aloha hoy izy ireo, ka tsy maintsy hovana.