Tahirimbola Iraisam-pirenena (FMI) – Miandry ny tatitra momba ny fandaniana tsy mazava tamin’ny covid-19

Andry Tsiavalona

Nihàtra teto amin’ny Firenena ny hamehana ara-pahasalamana nanomboka ny volana martsa taona 2020, ka nanararaotan’izao fitondrana izao namoahana didim-panjakana maro samihafa mivoana amin’ny Lalàmpanorenana ary raha ny zava-nisy maneran-tany amin’ny fotoana tahaka izany dia manao izay tiany atao ny mpitondra, ka misy koa ny manan-karena tampoka. Nanararaotra koa ny teto Madagasikara ka nisy volamena efa ho an-jato kilao nivoaka, tany ivelany vao tratra. Misy koa ny manampahefana nahatafatsangana trano be ary ny tena loza dia ny fanampiana avy any ivelany niatrehana ny valanaretina covid-19 dia maizina tanteraka ny nampiasana ny dimanjato tapitrisa dolara, ka takian’ny tahirim-bola iraisam-pirenena (FMI) ny tatitra momba izany mialohan’ny faran’ity taona ity. Noho ireo fandikan-dalàna, ary indrindra indrindra, ny fanitsakitsahana ny Lalàmpanorenana nataon’ny mpitondra, dia nitsangana ny mpanohitra, ka tao ny Vondron’ny Panorama sy ny Rodoben’ny Mpanohitra ho an’ny Demokrasia eto Madagasikara (RMDM). Misy ihany koa ny manohitra tsy miaradia amin’ireo nivondrona ireo. Tsy mahagaga loatra izany toe-javatra izany, satria na ny eo anivon’ny ankohonana aza dia misy ny toy izany, indrindra eo amin’ny antoko efa ho telonjato mijoro eto amin’ny Firenena dia tsy atao hahagaga.

Nanaporofo izany koa ny kandidà efapolo mahery tamin’ny fifidianana filoham-pirenena ny taona 2018. Ny tsapa dia tsy mpifaninana fotsiny ihany izy ireo, fa nisy nifamingana sy nifanaratsy ary nifankahala mihitsy aza. Maro ny fitarainana teo amin’ny tsy fahatomombanana teo amin’izany fifidianana izany dia nandefitra ny kandidà Ravalomanana Marc, ka nanaiky ny vokatra navoakan’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana (HCC). Na eo aza ny Komitin’ny Fampihavanana ny Malagasy (CFM) dia tsy hita mihitsy izay vokatra mivaingana eo amin’izany hetsika izany. Ny tsapa dia tsy mitsahatra ny manenjika sy mampatahotra ary manao antsojay ny mpanohitra ny mpitondra. Noho ny fahatsapana izany toe-javatra izany dia mifanatona ny mpanohitra ary iaraha-nahita ny fivoriana nokarakarain’ny Vondrona Panorama sy ny depiote Ratsiraka Roland tao amin’ny Hotel Carlton, ka nanasany na ny eo amin’ny fitondrana, na ny mpanohitra tarihan’ny filoha Ravalomanana Marc.

Resabe miely any amin’ny tambazotra serasera rehetra any ny fifandraisan-tànana teo amin’ny Depiote Ratsiraka Roland sy Ravalomanana Marc, izay nitory fifamelana sy fihavanana eo amin’ny roa tonta indray. Ny zavatra mety mbola sarotra aloha hatreto dia ny hananan’ny mpanohitra kandidà tokana amin’ny fifidianana filoham-pirenena ny taona 2023. Efa nanambara mantsy ny filoha Ravalomanana Marc fa ho kandidà ka ho sarotra ny fifandresen-dahatra amin’izany. Ny tena zava-dehibe anefa dia ny fahatsapan’ny tsirairay fa fampandrosoana ny firenena sy fikarohana ny tombotsoan’ny vahoaka Malagasy no katsahina, ka tsy maintsy olona manana traikefa eo amin’izany no tsy maintsy ho kandidà. Tsy maintsy misy ny fifandeferana sy ny fijerena ny zava-misy marina ary na inona na inona olana dia misy hatrany ny vahaolana mifanandrify amin’izany. Tsy ilaina ny hambompo diso toerana sy ny fitiavan-tena, tsy mijery tsangan’olona, fa ho hay ny manavaka ny tsiparifary sy ny vary ary fantarina ny tena tia tanindrazana sy ny tsy mikatsaka afa tsy ny tombontsoan’ny tena.

Mbola sarotra ny fampihavanana izay hiteraka firaisankina handrodanana ny fitantanana tsy mandeha amin’izay laoniny sy hamongorana hatramin’ny fotony ny kolikoly mahazo laka ary hametrahana rafitra mandala fahamarinana hitantana izay fifidianana rehetra hifanesy eto amin’ny Firenena. Tsy maintsy halavirina tahaka ny fasam-bao ny fifandrafiana sy ny fifanenjehana ary ny fifanaratsiana, ka hampanjakaina ny fifandresen-dahatra hitadiavana izay tena mahasoa ny vahoaka sy izay mampandroso ny Tanindrazana iombonana. Ho toy ny vako-drazana anie ny mpanohitra manomboka eto, ka izay mihata-maso velezina (hakambana), ary izay tsy ampy lanja fenoina.