EDITO 16 Novambra – Mihemotra i Madagasikara – Ho sahirana raha tsy miova fandeha ny mpitondra

Sôh’son

Nahitsy sy nazava ny tombana sy kiana amin’ny fiainam-pirenena tantanin’izao fitondrana izao, nataon’ireo mpisehatra politika maro samihafa teny Ampefiloha ny faran’ny herinandro teo. Mihemotra i Madagasikara raha ny nambaran’izy ireo. Kanefa tsy izy ireo ihany no mahatsapa izany, fa ny sarambabem-bahoaka izay mijery mahitsy sy tsy voasasa ati-doha. Raha tsy hilaza afa-tsy ny antontan’isa avy amin’ny Ivotoeram-pirenena Instat fotsiny, tamin’ny zava-misy niainana ny volana septambra lasa teo momba ny sondrobidim-piainana. Mbola mitohy izany ary vao mainka hiha-mafy miditra amin’izao faran’ny taona izao, noho ireo fety samihafa ao anatin’izany.

Azo atao tsara ny manao tombana, fa tsy nahomby izao fitondrana izao amin’ny fitantanam-pirenena, raha tao anatin’izay telo taona niasana izay. Tsy hisy zavatra firy hiova intsony amin’ny fiainam-bahoaka hatramin’ny faran’ny taona, tsy hisy ny fahagagana. Mety ho « fita-bitro » araka ny fiteny aza no hiseho indray hanampena-maso ny ambanilanitra raha miainga avy amin’ny nambaran’ny mpanao politika teny Ampefiloha ireny. Anisany toy ny mahazatra ny fitondrana sy fomba fanaony indray, ohatra, ny fametrahana jiro mamirapiratra fanao amin’ny krismasy sy mody fanolotolorana fanomezana kely ho an’izay olom-bitsy sendra azy. Etsy ankilany anefa mifiaka ny antsoro maina ny vahoaka maro an’isa. Telo taona tsy misy fiovam-piainan’ny vahoaka malagasy amin’ny ankapobeny. Tsy misy afa-tsy roa taona sisa izy no eo amin’ny fitondrana kanefa ankehitriny aza efa tsikaritry ny mpanara-baovao sy ny fiainam-pirenena rehetra, fa ny ifantohan’ny sain’ny mpitondra dia ny fifidianana amin’ny taona 2023. Matoa izany ny fomba fiasa sy fihetsiky ny mpitondra, dia efa fiaikena tsotra izao na tsy mivolana aza, ny amin’ny tsy fahombiazany.

Anisan’ny olana lehibe eto amin’ity firenena ity ny amin’ny tsy fifampitokisana intsony eo amin’ny mpitondra sy ny vahoaka. Noho ny nataon’ny fitondrana ihany no anton’izany, amin’ny tsy fanaovana mangaraharaha ny fitantanam-pirenena. Mazava loatra, fositra ihany koa ny fanakonankonana ny fahamarinana. Lesoka lehibe io izay tsy mahasoa ny firenena velively. Tsy atao hahagaga araka izany ireny tsikera mafy teny amin’ny Hotel Carlton Ampefiloha ireny. Tsy tonga amin’izany ny fiainam-pirenena raha hatrany am-boalohany no nahitsy fandeha, nanaja ny rariny sy ny hitsiny izao fitondrana izao.