Horonantsary Nampoina – Hanahirana an’Ingahy Filoha Rajoelina

Ny Valosoa

Mendri-piderana ny finiavana sy ny fahasahiana avy amin’ny Pr Ranjeva Raymond, hamoaka ny horonantsary nampitondraina ny lohateny hoe “Nampoina”, na koa “Ny riaka no valampariako”, izay mampiseho manontolo ny soatoavina navelan’ny Mpanjaka Andrianampoinimerina ny votoatin’ilay horonantsary, ka ny Pr Ranjeva Raymond, no nanangona sy nanoratra ny tantara, i Randrianierenana Henri no nandrindra ny horonantsary.

Nandritra ny fampahafantarana izany tetikasa goavana izany, no nanambaran’ny Pr Ranjeva, fa ilaina ho fantatry ny tanora ankehitriny sy ny taranaka fara mandimby ny fahendrena navelan’ny Mpanjaka Andrianampoinimerina, sy ny fitiavan’io mpanjaka io ny firaisampirenena ary ny finiavany hampandroso ny malagasy rehetra nanerana an’i Madagasikara.

Tonga nanome voninahitra ny lanonana fampahafantarana tetsy amin’ny Hotel Carlton tetsy Ampefiloha tamin’ny Alarobia 10 Novambra 2021 teo ny Filoha Ravalomanana Marc, izay nanambara fa tena ilaina ny fisian’ny horonantsary toy izao, satria mampihetsika ny fitiavan-tanindrazana eo amin’ny Malagasy, izay efa difotry ny fahantrana, hiteraka firaisankina ho an’ny malagasy hoy ny Filoha Ravalomanana ny toy izao, ka mandrisika azy handray andraikitra.

Samy tsy mbola nisy nahita ny ao anatin’ny horonantsary fa ny azo antoka dia hisongadina ao ireo fihetsika sy fitenin’ny Mpanjaka Andrianampoinimerina, izay tokony ho lesona ho an’izay mitondra sady mbola manankery sy tsy lefy laza hatramin’izao ny voalazan’io mpanjaka io.

Singanina manokana etoana ny kabary famerimberiny matetika toy ny hoe: “Fahavaloko ny mosary”, hoan’ity mpanjaka ity dia zavadoza ho an’ny vahoaka ny mosary , ka ny miasa ny tany ihany no fomba mahomby ahafahana miady amin’ny mosary , voaporofo teo amin’ny tantara fa raha nisy ireo tonga nila fanampiana tany amin’ny mpanjaka dia nomeny angady.

Ny Filoha Ravalomanana dia niezaka mafy tamin’ny fitsinjovana ireo tantsaha teo amin’ny fambolena sy ny fiompiana ary ny fanjonoana, mbola tsy adinon’ireo tantsaha malagasy ny tetikasa “Psdr”, izay nanampiana ny vahoaka tany amin’ny tontolo ambanivohitra, nisy tamin’izany ny fizarana masomboly sy zezika, ny vokatry ny tantsaha novidiana tamin’ny sarany ara-dalàna, ka fay tanteraka tamin’izany ireo mpijirika zatra nanararaotra ny tantsaha, ny biby fiompy vita vaksiny sady voaramaso ara-pahasalamana, ny mpanjono afaka miasa tsy voahelingelin’ny sinoa, ny fandriampahalemana azo antoka, ny lalana nivezivezen’ny vokatra tomombana, ary ny tsy azo amaivanina dia nisy ny ezaka nataon’ny fitondrana Ravalomanana niarovana ireo tantsaha teo amin’ny resaka fananantany.

Fa nandritra ny fitondrana Rajoelina kosa dia farahidiny ny tantsaha, tsy misy ny finiavana avy amin’ny mpitondra hitsinjo ireo tantsaha, mahazo vahana ireo mpijirika mpambotry ny tantsaha, ny vary aza moa lazain’Ingahy Filoha, fa roa taona hono vao vokatra ka aleo manafatra vary, hatramin’izao tsy hita popoka ireo sambo roapolo nolazain’Ingahy Filoha hitondra vary, ny mpiompy lasibatry ny asan-dahalo satria ireo mpitandro filaminana tazonin’ny mpitondra aty an-drenivohitra hanenjika ny mpanohitra, ny fanjonoana an-dranomasina hanjakan’ny sinoa , ireo velarantany mamokatra rehetra lasan’ny vahiny, mifanipaka tanteraka amin’ny fihevitry ny Mpanjaka Andrianampoinimerina ny ataon-dRajoelina.

“Fahavaloko ny haintrano”, mbola anisan’ny kabarin’Andrianampoinimerina io, ny tiany ambara eto dia ny fandoroana amin’ny ankapobeny mihitsy, no tsy ankasitrahan’ny mpanjaka na trano, na tanàna, na ala sns… Nandraisana fepetra hentitra izay tratra nandoro tamin’izany.

Ny Filoha Ravalomanana dia nanao ho vaindohandraharaha ny ady amin’ny dorotanety, sy ny fandripahana ny ala ary ny fiarovana ny tanàna amin’ny afo.

F’Ingahy Filoha ankehitriny, dia tsy mbola maty ao an-tsaina ny 26 Janoary 2009, nisian’ny fandorana tanàna faobe, natomboka tetsy amin’ny Rnm sy Tvm, niitatra teny Anosipatrana, Tanjombato, Behoririka, Ankorondrano, mbola voatahiry ny horonampeo mirakitra ny feon’Ingahy Filoha nitsodrano ireo mpandoro sy mpandroba. Fa hatramin’izao dia mbola tsy mitsahatra ny fahamaizana na an-tsaha na an-tanàna, toa ny any Ankarafantsika sy Menabe Antimena, ireo lazaina fa mpitondra tsy hita izay fandraisana andraikitra kanefa dia minisitra vavibe roa izao no ao.

Santionany ihany ireo nanaovana fanamarihana ireo fa mbola betsaka ny azo ambara mikasika ny fahendren’ny Mpanjaka Andrianampoinimerina, fa ny tena manaitra avy hatrany dia tsapa fa misy ireo fomba fiasa itovizan’ny Filoha Ravalomanana amin’io mpanjaka malaza io , satria samy manome lanja ny tantsaha sy ny fihavanana ary ny firaisankina, etsy ankilany dia mibaribary tsy takona afenina, fa mifanipaka tanteraka amin’ny ataon’ity mpanjaka ity ny fomba fiasa sy fihevitr’Ingahy Rajoelina nanomboka tamin’ny 26 Janoary 2009 ka hatramin’izao izy efa telo taona nitondrana izao.

Amin’ny volana Aprily 2022 no hivoaka ity horonantsary goavana ity, izay nambaran’ny Pr Ranjeva Raymond, fa haparitaka ho hitan’ny tanora malagasy manerana an’i Madagasikara sy eran’izao tontolo izao, antenaina fa tsy ho gisitra amin’ny fahitana izany Ingahy Filoha ankehitriny.