EDITO 11 Novambra – Tsy matoky ny fitantanam-bola eto ny olom-pirenena

Sôh’son

Lasa fomba fiheveran’ny olom-pirenena mihitsy ankehitriny, ny amin’ny ataon’ny fitondrana ny fitantanany vola izay azony avy ivelany, ka tsy ho tonga ara-dalàna amin’ny mponina na vahoaka tokony hisitraka izany. Raha vao miresaka vola fanampiana avy any ivelany na trosaina dia efa ratsy hatrany ny ao an-tsain’ny olom-pirenena maro. Tsy hisy ny mangarahara, ary tsy ho 100% ny fahatongavany any amin’ny tokony hiantefàny. Vao nisy resaka sy adihevitra nitranga teny anivom-piarahamonina momba ny amin’ny fitadiavan’ny fitondrana Malagasy vola fanampiana tao anatin’ny fivoriana an-tampony, momba fiovaovan’ny toetrandro tanterahina any Ecosse, satria i Madagasikara anisany lasibatra amin’izany, dia efa misy misaina zavatra hafa ny olona. Raha hahazo izany vola izany ve tsy hivily amin’ny sehatra hafa indray izany? hoy ny nambarany.

Misy tranga efa hitan’ny vahoaka, ary tsy iray tsy roa io, matoa toy izany ny fisainany. Mampitodika ny saina izany, ohatra, ho any amin’ny fanampiana ara-bola ny firenena Malagasy tamin’ny fiatrehana ny valanaretina covid-19 izany. Niaraha-nahita tsara ny fisian’ireo fanampiana ara-tsosialy, izay tsy ny rehetra sahirana mafy no nisitraka izany, fa ny sasantsasany nosingantsinganina ihany. Raha ho an’ny mpamakafaka sy mpandinika anefa dia maro no nilaza, fa tokony ho afaka hisitraka izany avokoa ireo tokantrano sahirana rehetra. Izay no anton’ny fitakiana fanazavana ny amin’ny fitantanana ny vola tamin’ny fiatrehana ny hamehana ara-pahasalamana ireny. Misy ny tsy mazava ao anatin’izany. Iray amin’ireny ilàna fanazavana ny momba ny “écrant plat”; eo koa ny fitantanana tao amin’ny minisiteran’ny fahasalamana, izay nanaovan’ilay mpiasa tao ampamoaka. Zavatra toy izany no hitam-bahoaka sy fantany, ka mahatonga azy hanana ilay toe-tsaina tsy matoky amin’izay vola fanampiana avy any ivelany handeha ara-drariny sy hitsiny ny fitantanana azy.

Ho an’ny olom-pirenena tia ny mangarahara sy fahamarinana izany, dia karazany “vilian-tsahona” no ambaran’ny mpitondra amin’ireny fanampiana ireny rehefa misy manome an’i Madagasikara. Misy olom-pirenena eto tsy mihevitra velively na kely aza hisitraka izany na ho tsara tantana izany. Ny fitondrana koa anefa etsy ankilan’izany tsy hita ho manana finiavana hanitsy ny diany hahatonga ny olom-pirenena hanana fitokisana aminy. Ho sarotra ny dia sy ny hoavin’ny firenena manoloana izany.