Firenena miaina anaty olana hatrany

Sôh’son

Mifarana indray ity ny volana faha-folo amin’ity taona ity, izay araka izany efa madiva hifarana. Ny fiainam-pirenena ity tsy hita ho mizotra amin’ny tokony ho izy. Itrangan’olana avokoa araka ny fandinihana ny sehatra rehetra. Isan-kerinandro tsy maintsy isehoana toe-draharaha itarainana sokajin’olona samihafa eto amin’ny firenena. Fitarainana izay miseho amin’ny endriny samihafa. Tsy afak’olana ny eny amin’ny Anjerimanontolo, mivaha ny eo, tsy ela aorian’izany dia mipoitra indray ny hafa. Minia mangina ny eny amin’ny ambaratonga ambany, fa tsy hoe akory milamina ny raharaha. Ny seha-pampianarana any amin’ny ambaratonga ambany, manomboka any amin’ny garabola hatrany amin’ny kilasy famaranana, dia maro ny olana.

Ny eny amin’ny fiainana andavanandron’ny mponina dia misy ny olana tsy ho voavahan’izao fitondrana izao velively mandrapaha-tapitry ny fotoam-piasany. Misoko mangina isan’andro ny fiakaran’ny vidin-javatra ilain’ny vahoaka. Izao indray ampidirina ao anaty fahatapahan-jiro mandritry ny ora maro sy andro vitsivitsy mihitsy ny vahoaka. Tsy mbola nisy fahatapahan-jiro lava toy izao hatramin’izay. Tsy fahita izao toe-javatra izao tamin’ny andron’ny filoha Marc Ravalomanana. Nanaovan-dRajoelina esoeson-teny mihitsy anefa izy tamin’ny fotoanan’ny fampielezan-kevitra sy nidedahany, fa hainy ny tontolon’ny rianaratra na ny jiro ilaina eto amin’ity firenena ity ary voafehiny izany rehefa izy no eo amin’ny fitondrana. Iaraha-mahita tsara izao ny zava-misy. Fatiantoka lehibe ny vokatr’izany ho an’ny olom-pirenena manao seha-pihariana mifamatotra amin’ny rianaratra. Tsy misy fiheverana izany ny fitondrana sy ny orinasa Jirama, fa ny azy ihany no ambarany eo anasàny ny atidoham-bahoaka. Tsy atao hahagaga ihany koa raha hanilika ny rihitra amin’ny hafa izy.

Ny fahatapahan’ny herin-jiro maharitra dia manome vahana ny asan’ny ratsy na ny jiolahy. Tandindonin-doza araka izany ny fiainam-bahoaka mandritry ny fahatapahan’ny jiro ary ao anaty fahamaizinana. Ny hain’izao fitondrana Rajoelina izao sy ny miara-dia aminy mpisolelaka azy, dia fampidinana ny mpitandro filaminana eny amin’ny arabe rehetran’Antananarivo renivohitra raha vao manambana hidina an-dalana ny mpanohitra, sy izay hanao hetsika politika. Tapahana hatramin’ny lalana mifandray amin’ny toerana hisian’ilay hetsika. Fa tsy hita izay fanapahan-kevitra raisin’ny fitondrana sy ny mpitondra filaminana rehefa amin’ny toe-javatra anjakan’ny fahamaizinana noho ny fahatapahan-jiro toy mitranga ankehitriny. Efa miseho ny voka-dratsy vao mandray fepetra hatrany. Fomba fiasan’izao fitondrana izao ny mpitsabo aorian’ny fahafatesana, sy ny “omby tondro tsy taitra, fa rehefa omby loha vao mikoropaka”. Dia iaraha-mahita eo indray ny zavatra hitranga eto amin’ity firenena ity amin’ny volana ambony. Ny fiafaran’ny taona dia vao mainka hiha-hidangana ny vidin-javatra, satria toy ny isan-taona dia mitranga izany. Ho avy ihany koa ny fahavaratra maitso ahitra afaka 2 volana latsaka eo, dia ho ataon’ity fitondrana Rajoelina ity hihinan’IEM eto ny sarambabem-bahoaka.