Ampasimbe RN2 – Nosakantsakanana indray ny filoha Ravalomanana

Niaina

Nosakantsakanan’ny mpitandro filaminana indray omaly ny Filoha Marc Ravalomanana, filoha nasionalin’ny antoko TIM, sady filohan’ny Rodoben’ny Mpanohitra ho an’ny Demokrasia eto Madagasikara (RMDM) tamin’ny lalampirenena faha-2 (RN2) iny, raha hihazo an’i Toamasina izy, hiatrika ny fameloma-maso sy fanabeazamboho ny antoko TIM, na redynamisation an’ity antoko izay najorony ity.

Tany Ampasimbe amin’ny RN2 iny no nisian’izay fanakanana ny filoha Ravalomanana sy ny delegasiona niaraka taminy izay. Fantatra tamin’ny teny izay nataon’ireo mpitandro filaminana, fa araka ny baiko izay nomen’ny lehiben’izy ireo dia tokony ho fantariny, iza avy ireo olona mpanara-dia an’i Dada tamin’izao diany hihazo ny faritra Atsinanana izao.

Mitohy indray arak’izany ny antsojay sy ny sakantsakana ataon’ny fitondrana ny filohan’ny mpanohitra. Sady efa fitondrana tsy mahavoa, no mbola tsy mahazaka demokrasia ihany koa no misy eto amintsika amin’izao fotoana.

Mahakasika ity fameloma-maso ny antoko TIM hatao any Toamasina renivohitry ny faritra Atsinanana anio ity, efa any an-toerana hatramin’ny afak’omaly ny sekretera jeneralin’ny antoko Rina Randriamasinoro, sy ny mpandrindra nasionalin’ny antoko Jean Claude Rakotonirina, nanomana izay hetsika izay miaraka amin’ireo mpitarika ny antoko any amin’ny faritra Atsinanana.