Serasera – Vaky ny ady eo amin’ny vehivavy mpanao gazety sy i Ministra Veta

Ny Valosoa

Vaky ny ady amin’izao fotoana eo amin’ny Fikambanan’ny Vehivavy Mpanao gazety (FJM) sy i Ministra Veta. Izany dia noho ny fanambarana nataon’ny ministra Lalatiana tao amin’ny fahitalavitra tsy miankina iray ny zoma teo, nanaratsy ny filohan’ity FJM ity Annie Andrianaivonirina. Noho izay antony izay, nanao fanambarana ireo vehivavy mpanao gazety:”nanaraka akaiky ny fandaharana Zakay Arik’aro izay vokarin’ny TV PLUS Madagascar ary nanasana ny minisitry ny Kolontsaina sy ny Serasera izahay eto anivon’ny biraon’ny fikambanan’ny vehivavy mpanao gazety eto Madagasikara – Association des Femmes journalistes de Madagascar- FJM ny zoma 15 oktobra lasa teo. Taitra sy nalahelo izahay raha nahita ny minisitra Lalatiana Rakotondrazafy Andriatongarivo, izay mpikambana feno anatin’io fikambanana io, niresaka ny fiainana ara-pahasalaman’ny filohan’ny FJM Anny Andrianaivonirina.

Heverinay fa tsy fanajana ny Soatoavina Malagasy ny mamoaka sy miresaka ampahibemaso ny resaka ara-pahasalaman’ny olona iray eny anivon’ny haino vaky jery toy ireny, indrindra moa fa tsy nierana sy tsy nahazoana alalana tamin’ilay olona voalaza.
Tianay mpikambana eto anivon’ny biraon’ny FJM ihany koa ny manipika fa raha tsy tojo iny tsy fahasalamana iny Anny Andrianaivonirina dia tsy nanana eritreritra ny hangataka fanampiana velively ny tenany.
Hevitra nitsiry taminay mpikambana ao amin’ny biraon’ny FJM izany ary izahay no nikarakara iny hetsika tolotanana iny iray manontolo, niaraka tamina namana mahafatra-po anatin’ny tontolon’ny asa fanaovan-gazety.

Tsy nisy araka izany fangatahana ofisialy na taratasy ofisialy nalefa teny anivon’ireo ministera sy departemanta hafa.
Nisokatra tamin’ny rehetra ny tolotanana izay hananteranay ny fisaorana etoana.
Am-pitiavana kosa no nikarakaranay birao mpiara-miasa aminy ny tolotanana ary maro dia maro ianareo no namaly izany tolotanana izany tamim-pitiavana.
Tsapanay nandritra iny fandaharana iny fa nanana alahelo ny minisitry ny Serasera, satria nanampy ny filohan’ny FJM izay tojo tsy fahasalamana tamin’ireny fotoana ireny, saingy toa tsy nisy ny tambiny nomen’ny filohan’ny FJM na izahay biraon’ny FJM ho setrin’izay fanampiana izany.

Tsy manana fahefana ny biraon’ny FJM hanome tambiny ny minisitra, fa nanapa-kevitra kosa, fa hamerina ny fanampiana izay nomen’ny minisitra Lalatiana Rakotondrazafy Andriatongarivo any aminy ny “Mpanao gazety vehivavy iray tsy mivaky”.