Mankany amin’ny lalan-tsarotra ny fitondrana Rajoelina

Andry Tsiavalona

Fitondrana mankany amin’ny làlan-tsarotra, araka ny hirahirany sy nizorany tamin’ny taona 2009 indray no mitantana ny Firenena tato anatin’ny telo taona sy folo volana. Nahazo nirehareha Rajoelina Andry, fa afaka nitondra nandritra ny dimy taona tamin’ny tetezamita. Tsy noho ny heriny na fahaizany anefa izany fa noho ny “Tondro Zotra” izay lalàna napetraky ny Vondrona Iraisam-pirenena nitantanana ny Firenena. Fiaraha-mitantana ihany koa no nisy, ka tsy ny antoko Tanora Gasy Vonona (TGV) no nandrafitra samy irery ireo andrim-panjakana rehetra. Noho izany dia sasanangy samy hafa no nisy tamin’ny tetezamita sy amin’izao Repoblika IV-2 izao. Azo lazaina fa manjaka tokana, toy ny andriamanjaka mihitsy, Rajoelina Andry, satria izy no olony avokoa ny ao amin’ny Antenimierandoholona, manana ny maro an’isa ihany koa izy ao amin’ny Antenimierampirenena. Iaraha-mahita ireo lazaina fa “atidoha” mandrafitra ny governemanta izay olona notendreny avokoa, ka mifamototra tanteraka ny andraikitra satria ireto farany indray no mibaiko ny olomboafidy. Ny ao amin’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana (HCC) moa dia tsy afaka mamoaka didy mifanaraka amin’ny Lalàmpanorenana, fa araka izay mifanandrify amin’ny tombontsoa manokan’ny filohan’ny Repoblika no ataony. Tsy manana ny fahaleovantenany amin’ny maha fahefana mpitsara azy ny Fitsarana, fa variana manenjika tsy misy hatak’andro izay voarohirohy amin’ny resaka fanohintohinana ny “fiandrianam-pirenena”. Iaraha-nahita ireo olona voampanga tamin’ny raharaha “Apollo 21”, ny famonjana ny minisitry ny serasera teo aloha sy ny mpandraharaha Mbola Rajaonah ary ny dokotera Berija. Tsy azo hadinoina ny resaka volamena 73,5 kilao tratra tatsy Afrika Atsimo, ka ny tena tompony tsy mbola fantatra hatramin’izao kanefa misy ireo izay tsy azo lavina fa namita iraka fotsiny ihany no any am-ponja.

Raha ireo tomponandraikitra ambony eo anivon’ny fitondrana no jerena dia na mitondra tena manalabaraka sy mandika lalàna aza dia vitavita ho azy eny toy ny raharahan’ny tale jeneralin’ny serasera tao amin’ny Fiadidiana ny Repoblika, sy ny fanohintohinana ny hajan’ny fitondrana toy ny vaovao niparitaka momba ny minisitry ny serasera sy ny kolotsaina, sy ilay mpanakanto malaza ary ny fampiasana fitaovam-piadiana maherivaika nataon’ny sekretera jeneralin’ny minisiteran’ny angôvo, izay vadin-dRamatoa ministra ihany. Angamba tsy nanohintohina ny fiandrianam-pirenena ireo toe-draharaha ireo saingy mampitodika ny mason’izao tontolo izao aty Madagasikara sady manamaloka ny sarin’ny Firenena, satria taratry ny fahalemen’ny fitondrana sy ny tsy fanajàna ny lalàna ary indrindra indrindra ny fanitsakitsahana ny Lalàmpanorenana.

Talohan’ny fiaraha-mitantana ny tetezamita dia nopotehin-dRajoelina Andry ny orinasam-pirenena Air Madagascar satria nosoloiny Air Bus 340 efa drodroka ireo firamanidina Boeing ary noho izany dia tsy nahazo nisidina tany Eraopa iretsy novidiana. Amin’izao fotoana izao dia miantona amin’ny asany avokoa ny mpiasan’ity orinasam-pirenena ity. Ny manalasala kosa anefa dia tsy misy feo mivoaka avy amin’ireo mpiasa ao satria, angamba, mahay mandefitra na amin’ny tsy rariny aza. Tsy misy afaka mandà fa ny filohan’ny tetezamita ary filohan’ny Repoblika ankehitriny, no tomponandraikitra amin’izao fahapotehan’ity orinasam-pirenena ity izao. Nilaza fa hanarina ny Air Madagascar ny mpitondra, ka hovaina ho Madagascar Airways ny anarany. Ny marihana dia toa milaza izany fa “banky rompitra” ny orinasa ka ho afaka hiala bala amin’ny fanefana ny trosa efa ho efapolo tapitrisa dolara ny mpitondra, izay manana ny ampahany betsaka amin’ny petrabola ao amin’ity orinasa ity.

Angamba tsy mitovy amin’ny mpandraharaha ara-pitantanana sy ara-teknika eny amin’ny Anjerimanontolo sy ny orinasa mpanamboatra làlana tsy mahazo ny karamany ny manana trosa amin’ity orinasam-pirenena ity, ka ho rarafana gazy mandatsa-dranomaso dia hipetraka. Mibaby trosa tsy toko tsy forohana izao fitondrana izao, ka tsy maintsy handady toy ny mpiray tanindrazana aminy izay nampandadiany ihany koa.