Mampaka-peo ny holafitra – Dokotera veterinera 2 nanao ny asany naiditra am-ponja

Stefa

Mampaka-peo amin’izao fotoana ny ao amin’ny holafitry ny mpitsabo biby eto Madagasikara, na ireo dokotera veterinera, noho ny fisian’ny dokotera veterinera miisa 2 naiditra am-ponja vonjy maika, noho ny voalaza fa maha voasaringotra azy ireo amin’ny resaka famotsiana omby halatra.

Ireo dokotera veterinera 2 nogadraina ireo dia ny iray avy any Farafangana ary tazonina ao amin’ny fonjan’i Manakara ankehitriny, ny faharoa dia mpitsabo biby any Antsalova, nampidirina am-ponja any amin’iny faritra Melaky iny.

Nanasonia taratasin’ny bokin’omby, no nataon’ireo mpitsabo biby ireo hoy ny fanambarana, tsy anjaran’izy ireo velively no ahafantatra fa omby halatra na tsia no nomeny taratasy, ka niampagana azy ireo ho tafiditra amin’ny fanadiovana taratasin’omby halatra. Koa miangavy ny tompon’andcraikitra izy ireo, hamoaka tsy misy fepetra ireo dokotera veterinera 2 voatana vonjy maika am-ponja ireo.