Filoha Rajoelina – Mangalatra fiaingana satria mety hiroso aloha ny fifidianana

Ny Valosoa

Raha ny tokony ho izy dia amin’ny enimbolana faharoa amin’ny taona 2023 no hatao ny fifidianana filohampirenena, ny filoha amperinasa anefa dia tsy tahotra tsy henatra, fa dia fampielezankevitra tsotr’izao no ataony, mety hisy ny hiteny hoe izy anie ka vao lany dia tsy tana fa manao fampielezankevitra hatrany any amin’izay alehany, tsy misy afaka mandiso izany, saingy ny fihetsik’Ingahy Filoha Rajoelina tao anatin’ny iray volana izay dia nahatsapana fa toa efa mandindona azy ny mety hisian’ny fifidianana hatao mialohan’ny fotoana voatondro.

Fitokanana etsy sy eroa ka na fotodrafitrasa tsy tokony ho tokanan’ny filohampirenena aza dia tsy manaiky gisitra mihintsy Ingahirainy, fa dia mendy hatrany ny hiseho vahoaka sy handray fitenenana, kanefa dia kabary poakaty sy resaka mampiseho ny tsy fahafehezany zavatra maro no henon’ny vahoaka, miezaka ihany manarina ny vava tsy ambina sy ny hevi-diso ireo mpiaradia aminy, ampiasaina mafy ireo mpanao kaonty fako, saingy tsy avotra fa dia fantatry ny manampanahy ihany ny hagaigen’ilay filoha.

Mikasika ilay fampielezankevitra ataon’Ingahy Filoha mialoha dia tsorina fa tsy misy akory ny hevi-baventy entiny handresen-dahatra ireo izay tonga mihaino azy, izany hoe tsy misy hevitra aely fa dia fitokanana ny zavabita vokatry ny asa mitohy tamin’ny tetikasan’ny teo aloha sy fandokafan-tena ho nahavita ny tsy efan’ny hafa tao anatin’ny 60 taona, izay resaka habobo vao mainka mampihetry azy ary ny fidedahana amin’ny lanonana tampimaso.

Fa matoa tsy mahatombontsiraka Ingahy Filoha mitety izao vazamototra rehetra izao dia efa tsinjony, fa ohatran’ny tsy hateza intsony ny fanapahany, satria samy maneno sahona avokoa izay aleha rehetra ary ny tsy fanarahan-dalàna sy ny fandrobana ny harempirenena ataon’ny fitondrana dia ampy hanafohy ny fotoampiasan’izy ireo, raha tsy hoe hinia hikimpy ny Fitsarana Avo, no mijery na asa inona ny azy ireo no mijery.