EDITO 16 oktobra – Sakafo hanin’ny Malagasy – Mbola lavitry ny fahatomombanana ara-dalàna

Sôh’son

Ny zava-misy eto amin’ny firenena dia maneho mazava ny olan’ny vahoaka malagasy eo amin’ny lafiny sakafo. Olom-bitsy ihany no tsy tafiditra ao anatin’izany eto amin’ity firenena ity, noho ny figalabonany amin’ny vola miditra aminy sy ny harena azony eo am-pelatanana, fa amin’ny ankapobeny, ny ankamaroan’ny malagasy dia manana olana amin’izany avokoa. Tranga lehibe miharihary ny fisian’ny kere any atsimo, ary na dia eo aza ny ezaka amin’ny fanampiana samihafa ho azy ireo na avy amin’ny fitondrana na ivelan’izany, dia mbola tsy mahasehaka ny fahalavorarian’ny sakafo hohanin’izy ireo. Voalaza mihitsy aza, fa misy ireo mponina tsy mbola nisitraka ny fanampiana any an-toerana kanefa ao anatin’ny tsy fanjarian-tsakafo ihany koa. Tsy any amin’ny faritra atsimo ihany anefa no isian’izay tsy fanjarian-tsakafo izay, fa saika ahitana izany ny faritra maro manerana ny Nosy.

Olana eo amin’ny fanjifana sakafo noho ny fahafaha-mividy ambany, ny tsy fanjarian’ny sakafo ara-kalitao, ary eo ny tsy fahampiana amin’ny habetsahana. Saika manao izay ivelomany fotsiny isan’andro ny vahoaka, fa ny fikajiana ny kalitao sy ny habetsahan’ny sakafo hohanina mandeha an-jambany fotsiny sy manao izay hahavitavita ho azy amin’izao. Iaraha-mahita tsara izany amin’ireo mpiasa madinika marobe, hatrany amin’ireo orinasa maro ny fanaovana an-tsirambina ny sakafo maraina, izay vitaina amin’ny mofo kely iray sy kafe dia lasa miasa. Mazava loatra, fa misy fiantraikany amin’ny hery sy tanjaka enti-miasa izany ary mipàka any amin’ny vokatra azo.

Eo ihany koa ireo mpianatra, ohatra, izay misy tena antsirambina, mba tsy ilazana hoe tsizarizary ny sakafo maraina. Miankina amin’izany anefa ny fiatrehana ny fianarana, ny fahazotoana ara-batana na ara-tsaina. Misy fiantraikany hatrany amin’ny ara-pahasalamana izany. Karazany vahaolana maimaika ihany ny an’ny fitondrana raha nidehaka fa manome sakafo ireo mpianatra, fa ankoatra ny any an-dakilasy sy ivelan’ny fotoam-pianarana dia ahoana? Iaraha-mahalala ny fiainam-bahoaka amin’izao fotoana izao izay gejain’ny fahasahiranana sy fahantrana lalina.

Marefo ara-tsakafo ny vahoaka Malagasy amin’ny ankapobeny, ary tafiditra anisan’ny firenena marefo koa izy amin’izao fotoana izao. Marefo amin’ny lafiny maro. Tsy mbola ato anatin’izao fotoam-piasan’ny fitondrana izao, no hahatafarina ity olana manjo ny Malagasy ara-tsakafo ity. Tsy vitan’ny entana afarana avy any ivelany entina sambo roapolo izany, no sady tsy vahaolana maharitra. Ny manahirana ho an’ny mpandinika, dia atao fitaovana politika hanampena-maso ny vahoaka ny fanaovana fizarana vatsy na sakafo amin’ny fotoana samihafa azo araraotina, na indrindra amin’ny fotoanan’ny fampielezan-kevitra izay manomboka angalarana fiaingàna sahady tato ho ato.