EDITO 12 oktobra – Tsy matotra ny politika fitantanana ny tanora Malagasy

Sôh’son

Lesoka lehibe amin’izao fitondrana izao ny tsy fananana politika mazava momba ny mponina, indrindra ny tanora. Tsy hita hoe mifototra amin’inona ny asa ataon’ny fitondrana momba azy ireo. Midehaka sy manao angoan-tenda amin’ny fisehoana ho manorina sekoly amin’ny faritra samihafa ny fitondrana. Tsy misy anefa sori-dalana mazava ho amin’ny fiahiana ny fianaran’ireo ankizy, ny zatovo sy ny tanora malagasy, hitantanana azy ho tonga any amin’ny fampianarana ambaratonga ambony, sy ny fidirana eo amin’ny tsenan’asa. Maneho tsy fahamatorana amin’ny seha-pitantanana izany. Miendrika fampielezan-kevitra fotsiny no atao amin’ny asa fanorenana amin’ny toerana samihafa, fisehoana mirentirenty amin’ny lanonana maro samihafa. Ny fahitana azy, fanampena-maso sy fanarian-dia ny vahoaka fotsiny ihany.

Tsy fantatra hatreto ny tanjona mazava amin’ny tiana hanabeazana ny zatovo sy tanora. Tanora Malagasy toy inona no heverina amin’ny ho avy hitantana ity firenena ity? Manao ahoana anefa ny ho avin’izy ireo manoloana ny zava-misy amin’izao fotoana izao eo amin’ny seha-pitantanana ny firenena. Ny fitondrana tsy manome môdely tsara, fa leson-dratsy aza no tsikaritra ampiainana azy ireo. Miharihary amin’izany, ohatra, ny famoretana atao ireo mpianatra eny amin’ny Oniversite isaky ny mba mitaky zavatra izy ireo. Tsy sorohina mialoha ny mety hanjo azy ireo eo am-piatrehana ny fianarany, fa rehefa tsy tantin’izy ireo dia mihetsika izy, satria tsy misy mivaky loha ny tomponandraikitra. Setrin’izany, famoretana sy filazana izany hatrany ho misy resaka ambadika politika. Miafara amin’ny rà latsaka sy aina nafoy aza ny hetsika nataon’izy ireo. Izany no môdely omen’ny fitondrana amin’izao fotoana izao. Ireo izay manelingelina dia rahonana anaovana ramatahora sy misy ampidirina am-ponja. Raha mpandraharaha manana orinasa, ka mpanohitra ny fitondrana, anaovana herisetra amin’ny fitakiana hetra sy akatona. Misy ny sokajin’olona iangarana eo amin’ny lafiny sosialy rehefa ao anaty krizy ary misy ny omena tombontsoa manokana. Izany ve no itaizana azy ireo, sy anomanana azy?

Ny firenena Malagasy dia mponina tanora. Tsy natao holalaovina amin’ny resaka politika izy ireo, fa fomba fiasa maloto izany. Ireo dia otrikarena goavambe ho an’ny firenena. Tsy ampy anefa ary lesoka lehibe ny tsy fahaizana mitantana azy ireo. Mandringa mihitsy aza ny politika fiahiana azy ireo. Loza mitatao amin’ny ho avin’ny firenena izany. Miada-piasa na mihisatra mihitsy amin’ny fametrahana politika matotra feno fahendrena amin’izany anefa ny fitondrana Rajoleina tato anatin’ny telo taona izao.