Voa ny fitondrana – Hihantona aloha ilay fandaharana ady hevitra ao amin’ny TVM

Andry Tsiavalona

Izao no tonga amin’ilay fitenenana hoe: « izay fomba ratsy teo aloha dia tsy tokony haverina intsony”, satria dia nihetsika ny mpanao gazety ny faran’ny herinandro teo nanohitra ny fifidianana amboletra tadiavin’ny fitondrana hatao hametrahana ny holafitry ny Mpanao gazety.

Iaraha-mahalala ny fototry ny fivondronan’ny mpanao gazety dia noho ilay lalàna nokitihana, tsy fantatra mazava tsara iza ary taiza no nikitihana ilay andininy manome vahana ny fanendrena ny Vaomiera manomana ny fifidianana (Commisssion électorale), sy ny isan’ny mpikambana ao amin’ny biraon’ny holafitra. Eo koa ny maha tokana ny kandidà izay tsy takona hafenina, fa natolotry ny minisitera ary tsy hanana ny “légitimité” velively. Tsy maivana koa ny nampiakarana ny antoka (caution) ho an’izay manana fikasana hirotsaka ho kandidà izay tsy hananan’ny mpanao gazety velively. Manampy trotraka izao disadisa misy eo amin’ny Minisiteran’ny Serasera sy Kolontsaina sy ny mpanao gazety izao ny fitsabahan’ny minisitera amin’ny raharahan’ny Holafitry ny Mpanao Gazety, satria tsy misy hidirany izany. Mitovy tsy misy valaka amin’izany ny tsy ahafahan’ny Minisiteran’ny Fitsarana amin’ny raharahan’ny Holafitry ny Mpisolovava (Ordre des Avocats), izay manana ny fahaleovantenany tanteraka. Koa tsy anjaran’ny minisitera no manangana ny vaomiera manomana ny fifidianana ny Holafitry ny Mpanao Gazety.

Tsy azo eritreretina ary tsy azo ekena ihany koa ny filazana, fa karapanondrom-pirenena dia azo entina hifidy izay ho holafitry ny mpanao gazety. Zava-doza izany satria na ny fifidianana Filoham-pokontany aza dia tsy ho toy izany. Efa mahazatra izao fitondrana izao ity fomba ity, satria tamin’ny fitsapankevi-bahoaka nandaniana ny Lalàmpanorenan’izao Repoblika IV izao, ny karnem-pokontany dia azo nentina nandatsa-bato. Tsy niainga tamin’ny mpanao gazety manana karatra ara-dalàna izay mbola manan-kery hatramin’ny taona 2022 ny nananganana ny lisitry ny mpifidy, fa hatramin’ny tsy mpanao gazety fa teknisiana na mpandraharaha, indrindra ao amin’ny haino amanjerim-panjakana dia voasoratra ao avokoa. Efa fantatra koa ny tranga tamin’ny fifidianana filohan’ny Repoblika farany teo izay nisian’ny karapanondrom-pirenena nitondra laharana mitovy ho an’ny mpifidy maro, ka niteraka ny roa hetsy sy iray tapitrisa (1 200 000) “doublons” novakian’ny filoha lefitry ny Vaomiera Mahaleotena momba ny Fifidianana (CENI) teo aloha bantsilana.

Heverina fa raha mpanao gazety matihaninana no misy eto amin’ity Firenena ity, ka tsy manohana be fahatany ny fitondrana na manohitra bontolo fotsiny dia mahay mamakafaka inona no nitranga nahatonga ny MLE nitsangana ary inona no ataon’ny fitondrana na ny minisiteran’ny serasera sy kolontsaina izay miteraka ny fanoherana ny politika entiny mifehy ny asa fanaovan-gazety amin’izao fotoana izao. Efa fanombohan-javatra tsara sy mendrika ho tohizana ny fandaharana nampifanatrehana ny mpanao gazety sady solombavambahoaka roa lahy nanao adihevitra tao amin’ny fahitalavi-pirenena ny zoma lasa teo. Nahita sy nanaraka iny fandaharana iny ny olompirenena izay liana te-hahalala ny zava-misy eo amin’ny fiainam-bahoaka sy fiainana ara-politika misy eto amin’ny Firenena. Tsy hanao diam-poza mandroso dia mihemotra ny fitondrana, ka mba ho programa raikitra isaky ny zoma alina iny fandaharana iny ka hitohy hatrany. Efa nanao fanambarana koa ny mpanao gazety andriambavilanitra naneho ny heviny momba ny raharaha holafitry ny gazety ity ka ny faniriana dia mba ho izy ireo indray no hiady hevitra amin’ny manaraka. Tsy “adin’akoho vavy maneno” tahaka ny fanaon’ny vehivavy mahazo laka anefa izany, fa ho “adin’ny vehivavy tomponandraikitra”, ka hahafehy izay ho lazaina sady tsy handokadoka na hanapempo fotsiny. Hita mantsy izany tamin’ny fandaharana tao amin’ny fahita lavitra tsy miankina iray ny alahady hariva lasa teo. Ho mpanao gazety matihanina, ka hijoro amin’izay làlan-tsaina marina sy tsy mitanila tsy maintsy hizorany ny mpikirakira vaovao eto Madagasikara.

Ho kely ihany anefa ny fanantenana ny amin’ny hitohizan’ilay ady hevitra toy ny tamin’ny zoma lasa teo iny tao amin’ny TVM, satria araka ny vaovao voaray, tezitra ny ministra Lalatiana sy ny any amin’ny fiadidiana ny Repoblika satria resy ny depiote Fetra avy any Miarinarivo mpomba ny fitondrana, ka dia nilatsaka ny sazy ao amin’ny haino aman-jerim-panjakana ao, ka olona folo latsaka eo no voasazy, satria tsy araka ny nieritreretan’ny mpitondra azy ny fivoakan’iny fandaharana iny.