TONELINA TSY MISY FARANY

Hatreto aloha dia tsy hitanay izay vidin-javatra mba mihena.
Mainka toa misondrotra aza raha jerena ny eny an-tsena.
Rediredy ilay “telo andro” nolazaina tany aloha,
No sady manamafy indray fa tsy to teny ny filoha!

Angaha dia resaka an-databatra ny fitondrana firenena,
Ka anaovam-bava tsy ambina na koa fandokafan-tena?
Mila midina eny ifotony ireo mitonona ho mpitarika.
Tsy mitazantazam-potsiny fa manome ny toromarika!

Tena tokony ho hita taratra ny fandraisany fepetra,
Ny amin’ireo mpanafina entana, mpanao bizina voretra.
Indrindra iretsy “bory satroka” malaza ho mahay mivarotra,
Ary dia manararaotra rehefa tonga ny andro sarotra.

Tsy araka ny hoerahoeran’ny filoham-pirenena,
Fa hatreto aloha dia ‘zao: ny vidin-javatra, tsy mihena.
Iretsy sambo angamba sisa no andrasana atsy ho atsy,
Saingy ho kobaka indray sa tena mba hitondra vatsy?

Ankehitriny ireo tantsaha no indreo baikoina sy terena,
Mba hampidina ny vidin’ireo vokatra volena.
Izany no mba tetikadin’ny mpitondra tsy misaina.
Ireo madinika hatrany no kendaina sy gejaina!

…Fa hatreto aloha ny gasy, miaina anaty fahantrana.
Tompon’antoka tanteraka ny ao anaty fitondrana.
N’inona n’inona holazain’ Andriamatoa filoha Rajoelina,
Dia vao mainka tena maizina sady lava ny tonelina!

TSIMIMALO (29-09-21)