TELEFERIKA NO MAHAMAOLA ?

Inona no mahamaola ny amin’ity teleferika?
Sa dia mendy hahazo vola ny mpitondra eto amintsika,
Ka tsy menatra ny handohalika amin’ny frantsay,
F’izay no hany lalan-tokana rehefa donto, tsy mahay?

Orinasa Malagasy marobe no mila tohana,
Saingy ny teleferika no imatesana irobohana?
Dia avela hiala aina ny “air mad” fa tsy arenina?
Tsy nitadiavam-bahaolana na mba hoe nialana nenina?

Inona no mahamaola ny amin’ity teleferika?
Nefa tsy afaka hanenika ito tanindrazantsika?
Sa dia ny eto an-drenivohitra no hany tena atao mirindra,
Fa ilay hoe :”ny fidedahana, io no lehibe indrindra “?

Dia ahoana iretsy faritra izay mila mba jerena akaiky,
Fa somary tena hadino ka nanjary toa taraiky?
Tsisy fanafody ho azy efa vonona eny an-tanana,
Ka tsy hojerena indray raha tsy efa akaiky fifidianana?

Inona no mahamaola ny amin’ity teleferika?
Sa dia faly ny hisavoana sy hampideradera bika?
Io anie tsy hahavoky n’inona n’inona holazaina,
Fa vao mainka hanampy indray ny trosabe tsy hay zakaina!

IRINA HO TAFITA (29-09-21)