RMDM sy ny TIM – Hetsika lehibe rahampitso any Morondava

Isambilo

Hanao hetsika lehibe any Morondava faritra Menabe rahampitso zoma, ny vondron’ny mpanohitra RMDM: Rodoben’ny Mpanohitra ho an’ny Demokrasia eto Madagasikara, sy ny antoko TIM: Tiako i Madagasikara, izay ao anatin’ny RMDM ihany koa. Rahampitso zoma maraina, hanao fameloma-maso sy fanabeazamboho ny antoko TIM ny ao an-drdenivohitry ny faritra Menabe, ny tolakandro kosa, hanao fikaonandoham-paritra toy ny tany amin’ny faritra Vakinankaratra ny any an-toerana.

Ny anton’ireo hetsika roa an’ny vondron’ny mpanohitra ireo dia satria misy zavatra mila toherina amin’izao fitantanana ny firenena ataon’ny fitondrana Rajoelina izao. Hasongadina mandritra izany, fa ny RMDM sy ny TIM dia tsy mpanohitra be fahatany, fa efa manana ny vinan’asa miainga amin’ny zava-misy eny ifotony ary vonona haka fahefana amin’ny fotoana rehetra. Ho hamafisina mandritra izany koa ireo fehin-kevitra tamin’ny fikaonandoha nasionalin’ny RMDM teny amin’ny Bypass, anisan’izany ny tokony hametrahan’izao fitondrana izao fialana, satria tsy mitsinjo ny tombontsoam-bahoaka, nefa ny vahoaka no tompon’ny fahefana izay indramin’izy ireo.

Ho an’ny antoko TIM indray, manamafy ny fototra izy ireo: mamondrona ny hery, mamerina ireo mpikambana teo aloha hiditra am-bala indray, manamafy ny fitazonana ireo ao anatiny amin’izao fotoana, ary miantso ireo any ivelany, hiditra hanatevina ity antoko najoron’ny filoha Marc Ravalomanana ity, izay antoko anisan’ny lehibe indrindra eto amin’ny firenena amin’izao fotoana izao. Ho faran’ny herinandron’ny politika mafana, toy ny toetr’andro any an-toerana noho izany ny any Morondava.