Mpamatsy vola: tsy matoky mpitondra « mavovava »

Andry Tsiavalona

Mihebohebo ny gazety mpomba izao fitondrana izao, fa « endriky ny fitokisan’ny FMI ny filoha’ny Repoblika Rajoelina, no nahazoana ny vola 332 tapitrisa dolara ». Tsara marihana anefa fa tsy vola hirotsaka mivantana ao amin’ny Banky Foibe io vola voalaza io, fa “Droits de Tirages Spéciaux” (DTS), ka miankina amin’ny antotan-taratasy (dossiers) momba izay tetikasa ho tanterahan’ny fitondrana no hivoahan’ny vola. Efa latsaka an-katerena ny firenena, ka vola natao hanampiana ny tahirim-bola vahiny amin’ny Banky Foiben’i Madagasikara izany. Kely io azontsika io miohatra amin’ny firenena hafa, satria miankina amin’ny latsakemboka narotsatsika tao amin’ny FMI, na antsoina hoe : quote part no azon’ny firenena tsirairay.

Tsy marina koa ny nolazain’ny filohan’ny Repoblika fa ny ampitson’ny fanambarana ihany dia efa azo ampiasaina ny vola fa tsy hiandry herinandro akory. Omaly ihany anefa dia efa nazava, fa nentina nanamarinana ny fanafarana sambo roapolo hitatitra ireo kojakoja ilain’ny mponina andavanadro (PPN) io filazana io. Araka izany dia tsy mazava mihitsy ny loharanom-bola nentina nanafatra izany. Efa nomena ny SPE (orinasa natsangan’ny fitondrana), hany mahazo manafatra entana avy any ivelany ny fanatanterahana izany. Tsy vao izao no nanambara izany fanafarana entana izany Rajoelina Andry, ka azo inoana fa tetika maizina efa nokotrehiny izao raharaha izao, ka nararaotiny iny maribola voalaza tany Washington iny. Velomina ity orinasa mpandraharaha ity, fa vonoina kosa ireo mpandraharaha matihanina efa nisahana izany hatramin’izay, satria azo inoana fa fanaovana ampihimamba (monopôle) tsotra izao no ataon’ny fitondrana. Tsy an’ny fanjakana velively ihany koa ity orinasa ity, satria raha izay no izy dia tsy misy fifaninanana ara-barotra eto amin’ny Firenena fa toy ny any amin’ny firenena kôminista.

Tsy vitan’izay fa tsy mitsahatra ny mamahan-dalitra ny Malagasy Rajoelina Andry, satria tsy mahafantatra izay dingana tsy maintsy harahina sy ny pitsompitsony momba izany famatsiam-bola azo izany ny maro an’isa, ka sahiny ny manodinkodina ny marina. Bodoiny rahateo koa ny onjampeo sy fahitalavi-pirenena izay hany mahasahina ny Firenena iray manontolo hamafazana izany lainga tsara lahatra izany. Handrimbona vola any amin’ny sampandraharaha iza indray ny mpitondra hanofana izany sambo miisa roapolo izany, sy ny hividianana izay vary sy zavatra ilain’ny mponina andavanandro dia soloina rehefa havoakan’ny Tahirimbola Iraisampirenana ilay 332 tapitrisa dolara. Toy izany mantsy ny fanapahankevitr’ i Rajoelina Andry tamin’ny nananganana ny Kianjan’ny “Barea”, satria tsy nahandry ny vola avy any amin’ny FIFA izy. Mbola maizim-pito hatramin’izao ny loharanombola nentina nanaovana io Kianja Barea io. Araka ny kabariny tamin’ny fiverenany teto an-tanindrazana koa dia azo ampiasaina avy hatrany io vola avy any amin’ny Tahirimbola Iraisam-pirenena io. Marina fa efa voatokana ho an’i Madagasikara io vola io (tsy ho an-dRajoelina Andry) ary hanaovana izay fampan-drosoana ny Firenena sy ny vahoaka taorian’ny valanaretina covid-19. Fotoana vitsy lasa koa izay dia efa nanambara Rajoelina Andry, fa hanafatra sambo miisa roapolo hitatitra vary sy kojakoja ilain’ny mponina andavanandro. Ny fanontaniana mipetraka dia vola avy aiza ary avy amin’ny sampan-draharaha iza no halaina indray satria raha ny marina dia tsy ho rahampitso velively araka ny kabarin-dRajoelina Andry dia hivoaka izany vola izany.

Na izany na tsy izany dia tsy vahaolana amin’izao toedraharaha iainan’ny vahoaka Malagasy izao ity fanafarana entana avy any ivelany ity, satria mamono sy mambotry ny tantsaha mpamokatra ary tsy hahavita taona izay hafarana avy any ivelany. Toa manam-bola ihany koa izao fitondrana izao raha ny dehaky ny filohan’ny Repoblika tamin’ny kabariny tao amin’ny Firenena Mikambana, satria nahatsangana kianja filalaovam-baolina goavana, sns,… Toa tsy mahafantatra Rajoelina Andry, fa misy masoivohon’ireo Firenena Mikambana sy ny mpiara-miombon’antoka anie eto Madagasikara ary mahafantatra ny zavatra mitranga rehetra eto. Ny fotodrafitrasa tokony hatsangan’ny fitondrana dia ozinina manodina ny vokatra misy any amin’ny Faritra any. Lasan-ko vavany fotsiny mantsy ilay kabary nataony tany amin’ny Faritra Vakinankaratra hoe “hanangona ny vokatra, legioma sy voankazo any ny fanjakana ary hanangana ozinina hanodinana azy ireny”. Mamorona asa ho an’ny mponina ihany koa izany, ka hampivoatra ny fari-piainany sady hitondra fandriampahalemana any an-toerana.

Ny andrimpanjakana mpanao lalàna no manaiky na mitsipaka ireny findramam-bola ireny, ka asa raha ho sahy handany ilay findramam-bola amin’ny frantsay hametrahana ny “téléphérique” ny depiote. Raha ny hita any amin’ny tambazotran-tserasera dia fiantsonan’ity fitaterana ity ilay fotodrafitrasa hatao eo Ankorondrano, mifanatrika amin’ny Henri Fraise, ka vola avy aiza indray no namatsiana izany kanefa ny nindramina tany Lafrantsa mbola any ankibon’ny omby?