“MISY NY KARAZAN’OLONA TSY AZO OMENA FAHEFANA”

Roambinifolo taona isika no efa niditra tonelina:
Tamin’ny tetezamita, avy eo Rajao sy Rajoelina.
Mandraky ny ankehitriny, mbola ao, tsy tafavoaka,
Haizim-pito tsisy farany no iainan’ny vahoaka!

Raha ny momba an’ito farany, lasa ny andro sy ny volana,
Saingy indrisy, tsy voavaha fa dia mitombo hatrany ny olana!
Jiro: tapaka matetika, rano: mampiferin’aina.
Tsisy hapoaka ny filoha no sady tsy mampiasa saina!

Hainy ny misambo-bola hanaovana teleferika,
Sy ny mampibaby trosa iretsy zafikelintsika.
Saingy tsy hainy ny mamantatra ny maika sy ny tena ilaina,
Indrindra indrindra ny mihaino ireo vahoaka mitaraina!

Ny dahalo no manjaka na an-tsaha na an-tanàna.
Tena tsisy filaminana n’aiza lalana hombana!
Misy ny mitondra basy, misy mampidera sabatra.
Efa misy hatramin’ny hoe “dahalo ambonin’ny latabatra”!

Mpitondra tia midehadehaka, izany sisa no hany tazana,
Fa tsy vonona hiaiky ny amin’ny tsy fahombiazana.
Raha ‘zay io no mbola hikiry hanapitra ny dimy taona,
Dia miomàna ry vahoaka fa hitohy ny alin-tsaona!

… Mpanao gazety no tsaroana raha nanao fanambaràna:
“Misy ny karazan’olona tsy azo omena fitondrana!”.
Tena izany ankehitriny no hamarinin’ny tantara,
Ny amin’ny zava-misy iainana eto Madagasikara!

DADAN’i ZINA (30-09-21)