30 Septambra – Taratasin’ny mpamaky

Fanehoan-kevitra ampitaina amin’ny gazety izao manaraka izao momba ny insecurité mirongatra be tato ho ato.

Aiza izao no mbola misy làlana mangina azo handehanana irery ka tsy voahendaka?

– Nijoro ni-telephone teo Antanimena ampitan’ny villa Pradon zà tam herinandro lasa, nanatona ahy ilay Securité, tandremo grand ouzi fa zone rouge eto an, andro am 10 ora maraina io.
– voahendaka ny mpianatra am 7:00 maraina eo Amparibe.
– Antaninarenina mody manao footing maraina ry lerony dia manendaka am 6:30 maraina.
– Ampandrana Ouest voahendaka ny nièce-ko andeha hody hariva am 6:30.
– Andohananalakely am 3:00 ora tolakandro, nisy namako voahendaka lasa ny peratra mariazy.
– Am 6:00 hariva poste 67ha voahendaka namana haka bus voahendaka.
– Tsimbazaza eo akaikin’ny Prefektora, sabotsy am 3:00 tolakandro, nisy vadina akama voahendaka.
*olona 5 fara fahakeliny ireo mpanendaka ireo mitondra antsy sy sabatra.

Mila fandraisana fepetra hentitra avy amin’ny mpitandro filaminana fa mijaly ny vahoaka.

Hajaniaina Vévé Prince
Mpamaky gazety