TSY HANDRAY KARAMA TELO VOLANA ?

Manam-be tokoa ‘nareo ka inona àry moa ny olana,
Ny amin’ny hoe tsy handray karama hatramin’ny roa na telo volana?
Ny anareo koa raha ny bizina, efa fantatray ihany,
Fa miliara anie no “ketrika” mihodinkodina amin’izany!

Iza izao ‘nareo mpitondra ankehitriny no naato,
Noho ny halatra vaventy izay nitranga tato ho ato?
Anareo ny fitondrana, anareo ny fitsarana,
Ka ‘nareo moa ve hanahy ny hoe ho any am-pigadrana?

Tsisy rantsam-pitsarana mba manadihady lalina,
Hany ka manararaotra toy ny banga mihomehy alina?
Ilay birao mahaleotena, anarany ny hoe “birao”,
Fa ao ‘nareo no mialokaloka sy manao ny tsy fanao?

Dia mitohy ny laingalainga sy karazam-pamitahana,
Ary mody mba mizara fa izany no idedahana?
Fanomezana madio sy mba mitohy re no alefaso,
F’aoka izay ny faikafaika sy karazan-tampi-maso!

Aminay dia toy ny sisa eny an-databatry ny mpanana,
Ilay ampahana karama izay afafy toa voan’anana.
Ka tsy zavatra toy izany , entina ho “fitanana aina”,
Fa ny tetikasa matotra sy mitohy no tena ilaina!

DADAN’i ZINA (17-10-21)