RAHARAHA “VETA”

Hanaiky hiala sa hoesorina ity nambara fa hoe “veta”?
Tena zavatra nataony sa dia tena hoe soketa?
Izany hatrany no eo am-bavan’ny mpanara-baovao,
Mikasika ny “editorialy” izay nalaza tao ho ao .

Ny valala hono misy , ny mpilaza koa mahay,
Fa ramatoa koa dia vavàna efa nalaza hatramin’izay.
Ka tena tsy hay na efa feno sy efa nihoatra ny kapoaka,
Fa ny fiainany manokana no lasa toa naseho vahoaka!

Mihamalaza ilay tantara ka “ilay veta” no “vedety”.
(Maro no efa tofoka azy ry zalahy mpanao gazety!)
Asa izay ho fiafaran’ity tantara mafampana,
Fa ny re aloha hatreto dia handeha ny fitsarana.

Ka dia asa indray raha hisy tsindritsindry avy any ambony,
F’efa zary mankaleo ny raharaha tahaka itony.
Efa tena mahakivy raha vao resa-pitsarana,
F’ao ilay hoe “maloto indrindra”, mampiaiky eto an-tanàna!

IRINA HO TAFITA (19-09-21)