EDITO 25 septambra – Fitondrana Rajoelina – Fitondrana mbola manao antsirambina ny hasina fototra maha malagasy

Aris

Nisy fotoana elaela tsy nahenoina intsony ny momba ny vaky fasana sy halatra taolampaty. Nipoitra indray anefa izany tamin’ity herinandro ity tany amin’ny faritra atsinanan’ny Nosy, izay nampitain’ny haino aman-jery. Mampieritreritra ny mahita ireo taolambalo araraka amin’ny tany toy ny tsy misy hasina mihitsy. Ny mason’ny mpitondra fanjakana eto amin’ny tany sy ny fanjakana ve dia mahavita mijery an’ireny sy manaiky ny fisian-javatra toy izany? Raha olom-pirenena mihevitra ho malagasy ihany sy mbola tena manana ny fo amam-panahy sy toe-tsaina malagasy dia tsy maintsy misy fihetsika ataony, fa tsy toy ny vahiny na vazaha sambany mahita izany trangan-javatra izany. Raha amin’ireo mpitondra no manana izany toe-tsaina amam-piheverana toy izany dia mila mieritreritra izy, fa diso safidy tanteraka izay nanendry azy na ireo olona nifidy azy.

Ny fasana sy ny razana na ny taolambalo dia tena manana ny hasiny tanteraka amin’ny Malagasy ary tsy azo anaovana antsirambina velively na kely aza. Toa mitady hivahavaha ve izany soatoavina izany. Ny eo anivon’ny ministeran’ny kolontsaina aza dia tsy ahenoina mihitsy mba fanentanana amin’izany, eny na dia ilay olo-malaza ao miseho hiaro ny kolontsaina Malagasy aza dia tsy miteny izany hasiny sy ny tokony hiarovana izany hasin’ny fasana sy ny taolambalon-drazana izany. Tsy ahenoina ary tsy hita mivoaka ao amin’ny minisiteran’ny kolontsaina ny amin’ny mba fanoloran-kevitra eo anivon’ny Filankevitry ny minisitra ny famoahana lalàna ny amin’ny fanasaziana izay olona tratra mamaky fasana na mangalatra taolambalon-drazana. I Andry Rajoelina dia tsy mbola nahenoina teny sy fandraisana fanapahan-kevitra hentitra momba izany mihitsy na tamin’izy nitondra ny tetezamita na izy tato anatin’izao roa tao mahery hiditra amin’ny fahatelo taona nitondrany izao. Tsy mahamaika azy ireo ve izany fa zavatra hafa izay mifototra amin’ny politika fiarovan-tseza sy tombontsoa ary fahefana hatrany no ifotoran’ny sainy? Mampieritreritra lalina izany fitondrany izany ary tsy tokony ametrahana fitokisana. Ilay fototra maha Malagasy mihitsy mantsy ao anatin’ny vaky fasana sy halatra taolampaty izay no potehina sy hosihosena tsy ivakiana loha. Heloka bevava eo anatrehan’ny firenena Malagasy mihitsy izany ary tsy tokony avelavela amin’izao fotsiny.

Ireo olona notsirihina nanongilan-tsofina migadra eny amin’ny fonja dia tsy namoaka mihitsy hoe iza ny atidoha amin’izao halatra taolam-paty izao, ary inona no ao ambadik’izany? Nahoana no tsy fantatra mihitsy hatramin’izao ny marina amin’ity resaka vaky fasana sy halatra taolambalo ity? Re fa nisy olom-pirenena, mpitandro filaminana iray mba te hahafantatra ny marina, nanao fanadihadiana momba ity resaka mamoa-doza ny firenena ity. Nandeha ny fanadihadiana nataony kanefa tsy tonga hatramin’ny farany. Ny antony, mijanona eo amin’ny olona manana ny lazany eto amin’ny tany sy fanjakana no izoran’ilay famotorana ary tsy nanana fahasahiana izy nanohy ny fanadihadiany noho ny toerana misy azy eo anivon’ny mpitandro filaminana. Izy rahateo mbola ambanimbany galona ihany. Dia ho toy izany ve ny raharaha maizina misy eto amin’ity firenena ity, ary fositra iray lehibe manapotika ny hasin’ny firenena. Mpitondra inona re no tsy taitra na minia mikimpy lava izao amin’ny fisiana toe-javatra toy mitranga eto amin’ny firenena izao? Misy ny sahy miteny hoe, raha ny an’ireo mpitondra ambony ireo ve no isiana, mba tsy ilazana hoe lasibatra matetika, no iharan’izao vaky fasana, mbola hanao izao fihetsika ataony izao ve izy rehetra? Fa any amin’ny sarambabem-bahoaka no itrangan’izany dia tsy hita izay fihetsika ataon’izy ireo, efa ho telo taona latsaka izao. Tsy izany ve no manao no vain-drahalahy tsy maharary? Tsy Malagasy izany, fa mpitondra hafahafa, ary azo lazaina fa diso mpitondra ity firenena ity. Ilay fototra maha ianao anao mihitsy no potehina sy hosihosena kanefa tsy misy fepetra raisina. Any amin’ny baolina kitra tsy fototry ny firenena indray no miaka-peo mafy i Andry Rajoelina, fa tsy hita any amin’ilay fototra maha Malagasy izany. Eo anefa mihambo ho tia tanindrazana sy saro-piaro amin’ny maha Malagasy. Aoka tsy hamita-bahoaka ary ao anatin’izany ireo olona milaza azy mandala ny maha-Malagasy eo anivon’ny minisitera sy ireo fikambanana maro samihafa. Aoka izay fitenenana an-tendro molotra fotsiny fa tia ity firenena ity, kanefa tsy sarotiny akory amin’ny toe-javatra toy izao. Fihatsarambelatsihy tanteraka izany ary anisan’ny fositra manimba ny firenena, mba tsy ilazana hoe anisan’ny fahavalom-pirenena.

Raha mbola tsy misy fanapahan-kevitra avy amin’ny fitondrana sy fandraisana fepetra sy sazy henjana raisina dia mbola ao anatin’ny anisan’ny mampieritreritra lalina izao fitondrana izao, amin’ny resaka soatoavina Malagasy, ary resabe fampiesonam-bahoaka fotsiny ny ankoatra izay.