DORO TANETY – DORO ALA : TOLERANCE ZERO ?

Tolerance zero? Izay fiteny izay no mety
Ho an’ireo tsy valahara izay mandoro ny tanety?
Moa tsy misy “teny gasy” tena mahalaza izany,
Sa vahiny no mpandoro fa tsy gasy teratany?

Tena tsisy fileferana, hoy ny baiko avy any ambony.
Mety sady tena tsara ny fepetra toy itony.
Saingy ho an’iza no itenenana ary tiana hiantefany?
Sa dia niova indray ny tantana f’efa hoe “vazaha ny tany”?

Teny kely tsy voadinika toy izany anie mazàna,
Dia hanjary tsy hampahomby ny fampiharana lalàna!
Mila azon’ny vahoaka ireo rehetra “fandraràna”,
Ka ataovy “teny gasy” ry mpitondra fanjakana.

…”Tena tsisy fandeferana ry minia tsy te hahalala,
Ho anao mpandoro ny tanety sy ho anao mpandoro ala.
Aoka tsy ho ianao mihitsy no handoro tanindrazana.
Tianao Madagasikara k’aza avelanao ho ngazana! “

DADAN’i RIANA (21-09-21)