Rajoelina sy ny forongony – Teleferika mahavoky, lalana tsy azo hanina

Beharo

Nanambara Rajoelina sy ny forongony tany aloha fa lalana tsy azo hanina. Izao izy ireo hametraka teleferika. Mipetraka ankehitriny ny fanontaniana, ny teleferika ve mahavoky ny vahoaka efa mitofezaky ny fahantrana amin’izao fotoana, noho ny tsy fahaizan’ny mpitondra ihany no mahatonga izany? Ny tsapa, tsy manintona olona ity fitaterana vaovao dradradradraina etsy sy eroa ity na ny teleferika, raha ny feo azo sy ny valin-teny nomena ny gazety no fintinina.

Nambaran’ny rehetra mantsy, fa na zotra firy na firy no hifamezivezy eny dia tsy mba vaha-olana mihitsy, fa ho zary lasa eboebo, na werawera fotsiny no ilazana azy. Tsy aleo ve hoy ny rehetra mamelona amin’ny fomba haingana ny fitaterana an-dalamby sy lamasinina ireny ihany, mba hahafahan’ny rehetra miverina amin’ny tany niaviany, sady afaka miasa any an-toerana no miasa amin’ny lalamby indray, sady mba miala eto an-drenivohitra no tsy mitangorona eny ho eny intsony. Raha tanteraka izany hoy ireo mpamboly sy mpiompy dia hitombo ireo mpivezivezy, ireo vokatra koa mba ho azo antoka, ny kere mety ho voavaha, fa tsy atao petatoko toy izao indray. Tsorina fa mbola ho lafo noho ny “bus class ” koa ny sarandalana raha io fitaterana vaovao tsy manintona io no hanaovana trosa be indray, sady na maika aza, sarotra ihany koa ny hoe: misy miala etsy na eroa, ny delestazy efa manahirana, sady mbola tombontsoa sy voninahitr’i Rajoelina indray no omen-dahatra amin’izany fa tsy ny vahoaka mihitsy, hoy ihany ny fanehoan-kevitra.

Eto am-pamaranana dia tsipihina ihany fa rendrarendran’ny filoha io, mbola tsy sahaza antsika amin’izao vanim-potoana izao ary tena tsy azo ho hanina tsy mahavoky, noho ilay làlana namelezana ny filoha Marc Ravalomanana tany aloha, fa tena mosavy indray aza. Mba jereo maika ny lalamby, havaozy haingana ireo Gara mampalahelo efa manala baraka, hareno mazava ny fiantsonana etsy Soarano, fa io no manintona ny rehetra sy ireo mpizahatany izao, hoy izy ireo.