Fitondrana Rajoelina – Mbola mihevitra ny Malagasy ho mora manadino

Andry Tsiavalona

Mbola mihevitra ny Malagasy ho mora manadino foana izao fitondrana efa ifantohan’ny mason’izao tontolo izao. Mihevitra ihany koa fa tsy mahita ny fitantanana “manara-penitra” ataon’ny mpiara- milona ao anaty rano maloton’ny kolikoly sy fanaovana gaboraraka ny harem-pirenena ary ny fanaparam-pahefana ny mpiara-miombona’antoka rehetra avy any ivelany.

Mirazotra amin’izao fotoana izao ny fanamarinan-tena sy fiheveran-tena ho sangany sy manam-pahaizana noho ny hafa ataon’ny filohan’ny Repoblika sy ny minisitry ny Serasera sy Kolontsaina. Tany Avaratry ny Nosy ny filohan’ny Repoblika tamin’iny herinandro lasa iny ary nametraka vato “fototra” (vato fehizoro angamba no tiana lazaina) tamin’ny fanamboarana ny Làlampirenena faha-6, mampitohy an’Ambanja sy Antsiranana. Ny mahavariana dia efa ho roa taona izao no nametrahany izany vato izany koa ny fanamboarana ny làlana mampitohy an’Ambilobe sy Vohemar, kanefa tsy mbola hita izay eo. Nikabary anefa ny filohan’ny Repoblika izao farany izao, fa “asa no hasetriny ny fanakianana” ataon’ny mpanohitra aminy. Naderadera ny fitaovana vaventy hanatanerahana ny asa. Miverimberina izany fanambarana izany, tsy indroa na intelo fa efa inteloambinifolo.

Vita ny kianja manara-penitra eo Mahamasina, tsy hitondra vary iray lovia ho an’ny Malagasy anefa izany. Miverina ao an-tsaina ny fanambaran-dry zareo fony izy mpanohitra tamin’ny fitondran-Ravalomanana Marc hoe “ny làlana tsy azo hohanina” kanefa tamin’izany fotoana izany tsy sahirana tamin’ny fividianana ny zavatra ilainy andavanandro tahaka izao ny mponina manerana ny Nosy. Tsy mipetraka eto an-tany mihitsy ny tongotry ny filohan’ny Repoblika Rajoelina, satria tsy ao an-tsainy mihitsy, angamba, fa eo amin’ny fitondrana izy, ka tsy mila manao akanjo miloko volom-boasary tahaka ireny manao fampielezankevitra ireny. Notadiavian’ny olona nalatsaka ny ainy tamin’ny raharaha omena anarana “Apollo 21”, izay sambon-danitra izay tsy tadidy intsony moa ny isany. Raharaha izay tsy hita izay tohiny amin’izao fotoana. Nahavita asa izao fitondrana izao, satria nolokoina volom-boasary ny toeram-pitsaboana sy sekoly ary tranom-panjakana talaky maso rehetra. Nahavita asa ihany koa fa nitokana ny “rocade” izay tetikasa efa nahazo famatsiam-bola tamin’ny fitondrana Rajaonarimampianina Hery. Rehefa atao ny tambatra dia ny hafa no namono ny voay, ka Rajoelina Andry sy ny mpiaradia aminy no te-hiseho miravaka ny vanginy.

Nalaza tamin’iny herinandro iny ihany koa ny raharaha momba ny minisitry ny Serasera sy Kolontsaina. Miseho ho lasibatry ny tsy tia azy (ny mpanohitra indrindra indrindra) ity minisitra vehivavy ity, noho ny fandraisany andraikitra eo amin’ny fampandrosoana ny Firenena, hono, miaraka amin’ny filohan’ny Repoblika. Tsy hihemotra amin’izany tarigetrany izany hono izy na dia nalaim-baraka sy nanelezana izao hatsanga tsy aman’orana rehetra izao aza. Misy tranga tena azo anamarinana izany tsy fihemoran’ity minisitra ity izany tokoa ka hasongadina amin’izany ny namingavingany sy nikasihany tànana ny Mpitondra fivavahana teny amin’ny “Episcopa Antanimena” ny volana martsa 2009.

Tsy mihemotra ihany koa ity minisitra ity, na dia fanaka malemy aza”, amin’ny fitsabahany amin’ny asan’ny Holafitry ny Mpanao Gazety amin’ny fikarakarana ny fanavaozana ny karatry ny mpanao gazety, sy ny fanomanana ny fifidianana mpikambana vaovao ao amin’ny birao. Araka ny fantatra dia tsy afaka mitsabaka amin’ny asan’ny Holafitry ny Mpisolovava ny minisiteran’ny Fitsarana, torak’izany koa ny Holafitry ny Mpitsabo (Ordre des médecins), izay tsy misy idiran’ny Minisiteran’ny Fahasalamana ny raharaha anatiny. Tsy mahagaga anefa ity minisitry ny Serasera sy Kolontsaina ity, raha misalovana amin’ny andraikitry ny hafa, satria na ny fanontaniana napetraky ny mpanao gazety tamin’ny filohan’ny Repoblika aza dia izy no namaly azy nandritra ny fandaharana manokana tao amin’ny fahitalavitra tsy miankina iray. Tsy mahagaga raha mitsabaka amin’ny raharaha tsy misy idirany ny mpiasan’ny haino aman-jerim-pirenena. Tsy mpiasan’ny minisitra ireo mpiasa ireo, fa mpiasam-bahoaka ary tsy tokony hiditra amin’ny raharahan’ny minisitra manokana any ivelany.

Ny fitantanana ny raharaham-panjakana dia tsy mitanila (neutre), fa efa mahazatra izao fitondrana izao ny manao ny tsy fanao ka tsy mahagaga intsony izay tranga rehetra, fa mifanohitra amin’ny fenitra ara-dalàna sady tsy mizotra amin’ny lojikam-piainana.