EDITO 9 septambra – Fitaterana eto Antananarivo sy ny manodidina – Mijaly ny mpandeha amin’ny anaovan’ireo mpitatitra taxibe azy

Sôh’son

Raha tena miasa amin’ny tena izy sy manao ny andraikiny marina ny eo anivon’ny fitondrana, sy ny minisitera misahana ny fitaterana, dia efa ela no noesorina tamin’ny asany ireo olona misahana ny antokon-draharaha misahana ny fitaterana an-tanety na ny ATT. Mijaly ny vahoaka amin’ny ataon’ny mpitatitra, taxibe, eto Antananarivo sy ny manodidina azy nandritry ny fotoana ela izay. Ary mbola tsy hita soritra velively ny amin’ny mba vahaolana nentin’ity sampandraharaham-panjakana iray ity, fa toa ny volam-bahoaka fotsiny no laniny. Tsy lavina any amin’ny zotra hafa angaha no miasa izy, fa raha amin’ny zotra fitateram-bahoaka eto Antananarivo sy ny manodidina tsy hita izay mba asa ataony.

Efa ela izay nitarainan’ny vahoaka mpandeha izay amin’ireo zotra miasa any aminy, na ilainy, fa tsy misy akony na kely aza amin’ity ATT ity sy izay tomponandraikitra any amin’ny minisitera any. Variana mihinam-bolam-bahoaka fotsiny ve? Saika amin’ny zotra rehetra izay misy kaoperativa dia ahenoina olana sy fitarainam-bahoaka avokoa. Anisan’izany ny eny amin’ny zotra mihazo an’i Sabotsy Namehana iny, sy indrindra ny mihazo an’Itaosy. Misy ny fitarainana ataon’ny mponina hatrany anaty tambazotra any, fa toy ny manoratsoratra fahatany tsy misy miraharaha na mivaky loha izany any amin’ireo tomponandraikitra. Ireo kaoperativa iasan’ireo mpitatitra ireo dia toy ny tsy misy, fa heverina ho toy ny mpiray tsikombakomba amin’izany fomba fiasa ratsy izany avokoa izy ireo. Ny tsapa, tsy mahafehy ny kaoperativa sy ny mpitatitra eto andrenivohitra sy ny manodidina ny ATT sy ny fanjakana. Hany ka ilay vahoaka na mpandeha no mifafa ny kihony isan’andro lava izao. Fahoriam-bahoak io ary tsy manana vahaolana na kely amin’izany izao fitondrana Rajoelina izao. Tsy hitany marina ny fijaliam-bahoaka isa-maraina sy indrindra ny hariva hamonjy fodiana. Tsy tsapany izany fa vava fotsiny ny azy, ka mba hatao eny amin’ny haino aman-jery hamitaham-bahoaka.

Tsikaritra mihitsy ho toy ny misy tambazotrana “mafia “ amin’izao ity sehatry ny fitaterana ity, ka raha vao manohintohina ny tombontsoany, toy ny hoe fisiana fiara hafa maromaro na kaoperativa vaovao mitady hiditra amin’ny zotra ataony dia indreny izy mianakavy mipoitra mitokona. Ny mponina anefa mitady sy maniry fatratra izany, mba tsy ho ampihimamba ny fitaterana eny aminy. Anisan’ny maniry izany ny mponin’Itaosy sy Ambohidrapeto iny, satria ireo tena manao izay tiany atao mihitsy. Ary efa fotoana ela izany, fa tsy hita mihitsy izay mba asa nataon’ny ATT ao anatin’izany. Resaka fotsiny no betsaka ataon’izao fitondrana izao, fa ny asa manasoa ny vahoaka tsy misy raha amin’ity sehatry ny fitaterana ity no resahina.